2Tantara 13:23 - Baiboly Katolika Ary nody mandry any amin’ny razany i Abià ka nalevina tao an-tanànan’i Davida. I Asà zanany no nanjaka nandimby azy. Nandry folo taona ny tany tamin’ny androny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nodimandry any amin’ny razany i Abia, dia nalevina tao an-Tanànan’i Davida izy; ary i Asa zanany no nanjaka nandimby azy. Ary tamin’ny andron’i Asa dia nandry fehizay nandritra ny folo taona ny tany. DIEM PROTESTANTA Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Abià, dia nalevina tao an-Tanànan’i Davida; ary i Asà zanany lahy no nanjaka nandimby azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Abià, dia nalevina tao an-Tanànan’i Davida; ary i Asà zanany lahy no nanjaka nandimby azy. Baiboly Protestanta Malagasy ARY Abia lasa nodi-mandry any amin’ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan’i Davida izy; ary Asa zanany no nanjaka nandimby azy. Ary tamin’ny andron’i Asa dia nandry folo taona ny tany. La Bible en Malgache Ary nodimandry any amin’ny razany i Abia, dia nalevina tao an-Tanànan’i Davida izy; ary i Asa zanany no nanjaka nandimby azy. Ary tamin’ny andron’i Asa dia nandry fehizay nandritra ny folo taona ny tany. |