Manaraka an’io dia mbola naka an’i Maakà zanaka vavin’i Absalôma izy, ka niteraka an’i Abià, i Etaia, i Zizà ary i Salômita, taminy.
2Tantara 13:1 - Baiboly Katolika Tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Jerôbôama no vao nanjaka tamin’i Jodà i Abià, ary telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’ny taona fahavalo amby folo nanjakan’i Jeroboama mpanjaka no tonga mpanjakan’ny Joda i Abia. DIEM PROTESTANTA Tamin’ny taona faha-18 nanjakàn’i Jerôbohama no tonga mpanjakan’i Joda i Abià; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’ny taona faha-18 nanjakàn’i Jerôbohama no tonga mpanjakan’i Joda i Abià; Baiboly Protestanta Malagasy ARY tamin’ny taona fahavalo ambin’ny folo nanjakan’i Jeroboama mpanjaka no vao nanjakan’i Abia tamin’ny Joda. Malagasy Bible Ary tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Jeroboama mpanjaka no vao nanjakan'i Abia tamin'ny Joda. La Bible en Malgache Tamin’ny taona fahavalo amby folo nanjakan’i Jeroboama mpanjaka no tonga mpanjakan’ny Joda i Abia. |
Manaraka an’io dia mbola naka an’i Maakà zanaka vavin’i Absalôma izy, ka niteraka an’i Abià, i Etaia, i Zizà ary i Salômita, taminy.
Ny asa nataon-dRôbôama, na ny voalohany na ny farany, moa tsy efa voasoratra ao amin’ny Tenin’i Semaiasa mpaminany, sy ny an’i Adô mpahita, momba ny tetiaram-pirazanana? Niady mandrakariva i Rôbôama sy i Jerôbôama.
Ary nody mandry any amin’ny razany i Rôbôama ka nalevina tao an-tanànan’i Davida. I Abià zanany no nanjaka nandimby azy.