ary nanan-daza tamin’izy telo lahy mahery izy. Nalaza noho izy 30 lahy izy, nefa tsy nahomby azy telo lahy irerỳ izy. Noraisin’i Davida ho isan’ny mpanolo-tsaina azy izy.
2Tantara 12:10 - Baiboly Katolika Ampinga varahina no nataon-dRôbôama mpanjaka solon’ireo, dia napetrany teo an-tanan’ny lehiben’ny mpihazakazaka izay niambina ny fidirana amin’ny tranon’ny mpanjaka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nanao ampinga varahina ho solon’ireny i Rehoboama mpanjaka ka nanolotra azy ho eo an-tanan’ny lehiben’ny mpiambina, izay niambina ny varavaran’ny tranon’ny mpanjaka. DIEM PROTESTANTA Ho solon’ireny kosa dia nampanao ampinga halimo i Rehabohama; ka ny lehiben’ny mpiambina, izay niandry ireo varavaran’ny lapan’ny mpanjaka, no nanankinany azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ho solon’ireny kosa dia nampanao ampinga halimo i Rehabohama; ka ny lehiben’ny mpiambina, izay niandry ireo varavaran’ny lapan’ny mpanjaka, no nanankinany azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Rehoboama mpanjaka nanao ampinga varahina ho solon’ireny ka nanolotra azy ho eo an-tànan’ny lehiben’ny mpiambina, izay niambina ny varavaran’ny tranon’ny mpanjaka. Malagasy Bible Ary Rehoboama mpanjaka nanao ampinga varahina ho solon'ireny ka nanolotra azy ho eo an-tànan'ny lehiben'ny mpiambina, izay niambina ny varavaran'ny tranon'ny mpanjaka. La Bible en Malgache Nanao ampinga varahina ho solon’ireny i Rehoboama mpanjaka ka nanolotra azy ho eo an-tanan’ny lehiben’ny mpiambina, izay niambina ny varavaran’ny tranon’ny mpanjaka. |
ary nanan-daza tamin’izy telo lahy mahery izy. Nalaza noho izy 30 lahy izy, nefa tsy nahomby azy telo lahy irerỳ izy. Noraisin’i Davida ho isan’ny mpanolo-tsaina azy izy.
i Baniasa zanak’i Jôiadà, no lehiben’ny Keretianina sy ny Feletianina; ary ny zanak’i Davida no mpanolo-tsaina manolotra azy indrindra.
Nanao ampinga lehibe roan-jato vita tamin’ny volamena voatefy i Salômôna, ka volamena lanjana 600 sikla no lany tamin’ny isan’ampinga.
Ary ampinga varahina no nataon-dRôbôama mpanjaka solon’ireny, ka nataony teo an-tanan’ny lehiben’ny mpihazakazaka izay miambina ny fidirana amin’ny tranon’ny mpanjaka.
Nalaza noho izy telopolo lahy izy. Nataon’i Davida isan’ny mpanolo-tsaina azy manokana izy.
Ka isaky ny nankao an-tranon’i Iaveh ny mpanjaka, dia tamy ny mpihazakazaka mitondra ireo, vao mamerina azy ho ao an’efitranon’ny mpihazakazaka indray.
Dia niakatra namely an’i Jerosalema i Sesàka mpanjakan’i Ejipta, ka namabo ny rakitry ny tranon’i Iaveh sy ny rakitry ny tranon’ny mpanjaka, nataony mafafa. Nobaboiny ireo ampinga volamena nataon’i Salômôna.
Ahoana no nihamatroka ny volamena, nihasimba ny volamena madio, niely patrana ny vato voahasina, eny an-joron-dalambe rehetra eny.