Tatỳ aorian’izany, nandresy ny Filistinina i Davida, ka nampietry azy, ary nalainy teo an-tanan’ny Filistinina i Geta mbamin’ny tanàna momba azy.
2Tantara 11:8 - Baiboly Katolika i Geta, i Maresà, i Zifa, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 i Gata, i Maresa, i Zifa, DIEM PROTESTANTA i Gata sy i Maresà ary i Zifa, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara i Gata sy i Maresà ary i Zifa, Baiboly Protestanta Malagasy sy Gata sy Maresa sy Zifa Malagasy Bible sy Gata sy Maresa sy Zifa La Bible en Malgache i Gata, i Maresa, i Zifa, |
Tatỳ aorian’izany, nandresy ny Filistinina i Davida, ka nampietry azy, ary nalainy teo an-tanan’ny Filistinina i Geta mbamin’ny tanàna momba azy.
Fa nivoaka hiady tamin’ireo i Zarà, Etiôpianina, nitondra miaramila 1.000.000 sy kalesy 300, ka nandroso hatrany Maresà.
Dia nivoaka hiady aminy i Asà, ka samy nilahatra hiady teo an-dohasaha Sefatà akaikin’i Maresà izy.
Fa tamin’izay i Eleazara zanak’i Dôdô, any Maresà, naminany ny amin’i Jôsafata nanao hoe: «Noho ianao nikambana tamin’i Okoziasa dia noravan’i Iaveh ny asanao.» Dia vaky ny sambo ka tsy afa-nankany Tarsisa.
Nandeha niady tamin’i Filistinina izy, nazerany avokoa ny mandan’i Geta sy ny mandan’i Jabnià ary ny mandan’i Azota, dia nanao tanàna tany amin’ny faritanin’i Azota sy ny tany amin’ny Filistinina izy.
Nonina tany an’efitra i Davida tao amin’ny fitoerana mimanda, dia nitoetra tao amin’ny tendrombohitra amin’ny efitr’i Zifa. Nitady azy isan’andro i Saola, fa tsy natolotr’Andriamanitra teo an-tanany izy.
Ary niakatra nankany amin’i Saola tany Gabaà, ny Zifianina, ka nilaza hoe: «Miery any aminay i Davida ao amin’ny fitoerana mimanda any an’ala, amin’ny havoan’ny Hakilà, atsimon’ny tany lava volo.