Nalain-dRôbôama ho vady i Mahalata, zanaka vavin’i Jerimota, zanak’i Davida sy i Abihaila, zanaka vavin’i Eliaba zanak’i Isaia,
2Tantara 11:17 - Baiboly Katolika Nankahery ny fanjakan’i Jodà izy, tamin’izany, ka nampiorina tsara an-dRôbôama zanak’i Salômôna, nandritra ny telo taona, satria nandeha tamin’ny lalan’i Davida sy i Salômôna izy ireo, telo taona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nampatanjaka ny fanjakan’ny Joda izy ireo sady nanome hery an’i Rehoboama, zanak’i Solomona, nandritra ny telo taona satria nandeha tamin’ny lalan’i Davida sy i Solomona telo taona izy. DIEM PROTESTANTA Ka dia nampahery ny fanjakàn’i Joda izy ireny sady nijoro ho mpanohana an’i Rehabohama zanakalahin’i Salômôna, nandritra ny telo taona; fa ny fitondrantena tsara narahin’i Davida sy i Salômôna no nizoran’i Rehabohama nandritra ny telo taona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ka dia nampahery ny fanjakàn’i Joda izy ireny sady nijoro ho mpanohana an’i Rehabohama zanakalahin’i Salômôna, nandritra ny telo taona; fa ny fitondrantena tsara narahin’i Davida sy i Salômôna no nizoran’i Rehabohama nandritra ny telo taona. Baiboly Protestanta Malagasy Ka dia nampahery ny fanjakan’ny Joda izy sady nampahavitrika an-dRehoboama, zanak’i Solomona, telo taona; fa nandeha tamin’ny làlan’i Davida sy Solomona telo taona izy. Malagasy Bible Ka dia nampahery ny fanjakan'ny Joda izy sady nampahavitrika an-dRehoboama, zanak'i Solomona, telo taona; fa nandeha tamin'ny lalan'i Davida sy Solomona telo taona izy. La Bible en Malgache Dia nampatanjaka ny fanjakan’ny Joda izy ireo sady nanome hery an’i Rehoboama, zanak’i Solomona, nandritra ny telo taona satria nandeha tamin’ny lalan’i Davida sy i Solomona telo taona izy. |
Nalain-dRôbôama ho vady i Mahalata, zanaka vavin’i Jerimota, zanak’i Davida sy i Abihaila, zanaka vavin’i Eliaba zanak’i Isaia,
Nony nohamafisin’i Rôbôama ny fanjakany sy nahazo hery izy, dia nahafoy ny lalàn’i Iaveh izy mbamin’i Israely rehetra.
Inona no hataoko aminao, ry Efraima? Inona no hataoko aminao, ry Jodà? Fa ny fitiavam-bavakareo dia tahaka ny rahona maraina, tahaka ny ando amin’ny maraina ka levona vetivety.