Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 11:11 - Baiboly Katolika

Namboariny ny trano mimanda ho afa-manohana, dia nanisy mpanapaka sy trano fitahirizan-kanina aman-diloilo sy divay tao aminy izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nanamafy ny tanàna mimanda izy sady nametraka mpanapaka tao, nasiany tahirin-kanina sy diloilo ary divay koa.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nohamafisin’i Rehabohama ny mandan’ireo tanàna ireo sady nametrahany mpifehy ary koa sakafo sy menaka aman-divay tao aminy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nohamafisin’i Rehabohama ny mandan’ireo tanàna ireo sady nametrahany mpifehy ary koa sakafo sy menaka aman-divay tao aminy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nanamafy ny tanàna mimanda izy sady nametraka mpanapaka tao aminy ary nanisy hanina sy diloilo ary divay betsaka.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nanamafy ny tanàna mimanda izy sady nametraka mpanapaka tao aminy ary nanisy hanina sy diloilo ary divay betsaka.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nanamafy ny tanàna mimanda izy sady nametraka mpanapaka tao, nasiany tahirin-kanina sy diloilo ary divay koa.

Jereo ny toko



2Tantara 11:11
7 Rohy Ifampitohizana  

i Saraà, i Aialôna ary i Hebrôna; tanàna mimanda ao amin’i Jodà sy i Benjamina ireo.


Samy nametrahany ampinga aman-defona avokoa ny tanàna dia nataony mahery fatratra. I Jodà sy i Benjamina dia azy.


Naeliny tamim-pahafetsena ny zanany lahy, ho any amin’ny tanin’i Jodà sy i Benjamina rehetra, tany amin’ny tanàna mimanda rehetra, dia namononany hanina betsaka sy nitadiavany vady maro.


Efa nandroso amin’izay hampisondrotra azy ho amin’ny voninahitra ambony indrindra i Jôsafata. Nanao trano mimanda sy tanàna fitahirizana teo amin’i Jodà izy.


Ireo no nanompo ny mpanjaka, afa-tsy izay napetraky ny mpanjaka tany amin’ny tanàna mimanda, eran’i Jodà rehetra.


Ary ianao, ry zanak’olona, makà hazo iray, asio soratra hoe: «Ho an’i Jodà sy ho an’ny zanak’i Israely tafakambana aminy.» Dia makà hazo iray hafa koa, asio soratra hoe: «Ho an’i Josefa; ka ho hazon’i Efraima sy ny taranak’i Israely rehetra tafakambana aminy izany.»