Baiboly an-tserasera

dokam-barotra

Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao

2Tantara 10:4 - Baiboly Katolika

«Irainao dia nampitondra jioga mavesatra anay, ka ankehitriny hamaivano ny fanompoana mafy nampitondrain-drainao anay sy ny jioga mavesatra nanindriany anay, dia hanompo anao izahay.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa ankehitriny, mba hamaivano ny fanompoana mafy nampanaovin’ny rainao sy ny zioga mavesatra izay nampitondrainy anay, dia hanompo anao izahay.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

–Irainao dia nampitondra zioga mavesatra anay. Fa ankehitriny kosa, raha mba hamaivaninao ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra nampiantsorohany taminay, dia hanompo anao izahay.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

–Irainao dia nampitondra zioga mavesatra anay. Fa ankehitriny kosa, raha mba hamaivaninao ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra nampiantsorohany taminay, dia hanompo anao izahay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra izay nataony taminay, dia hanompo anao izahay.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

La Bible en Malgache

Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa ankehitriny, mba hamaivano ny fanompoana mafy nampanaovin’ny rainao sy ny zioga mavesatra izay nampitondrainy anay, dia hanompo anao izahay.

Jereo ny toko

2Tantara 10:4
15 Rohy Ifampitohizana  

«Irainao nampitondra jioga mavesatra anay, fa ianao kosa ankehitriny, dia hamaivano ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny jioga mavesatra nanindriany anay, dia hanompo anao izahay.»

Maro toy ny fasika eny amoron-dranomasina i Jodà sy i Israely; ary nihinana sy nisotro sy nirobiroby.

Nanao lahateny momba ny zava-maniry izy, hatramin’ny hazo sedera maniry any Libàna ka hatramin’ny hisopa mitsimoka eny amin’ny ampiantàny. Nandaha-teny momba ny biby efa-tongotra sy momba ny voromanidina koa izy, mbamin’ny biby mandady aman-kazandrano.

Ary i Hirama, mpanjakan’i Tira, naniraka ny mpanompony ho any amin’i Salômôna, fa reny hoe voahosotra ho mpanjaka handimby an-drainy izy, ary sakaizan’i Davida hatrany hatrany i Hirama.

Fa tsy mba nisy nataon’i Salômôna andevo ny zanak’i Israely, fa izy ireo no lehilahy mpiantafika, mpanompony, mpifehy, manamboninahitra, komandin’ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly.

dia niverina avy any Ejipta izy ka nampanalain’ny olona. Tamin’izay, dia nanatona i Jerôbôama sy i Israely rehetra ka niteny tamin-dRôbôama nanao hoe:

Ary hoy ny navaliny azy ireo: «Rehefa afaka hateloana, miverena atỳ amiko indray ianareo.» Dia lasa ny vahoaka.

Maty tanatin’izany andro maro izany ilay mpanjakan’i Ejipta. Ny zanak’i Israely mbola niferin’aina tamin’ny fanandevozana, ka velon-taraina mafy, ka tafasondrotra hatrany amin’Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanandevozana.

Efa tezitra tamin’ny vahoakako Aho, ka navelako hozimbaina ny lovako, dia natolotro ho eo an-tananao izy. Tsy nanananao antra izy; nasianao jioga mavesatra mbamin’ny antitra.

Fehezin’izy ireo ny zava-mavesatra sarotra entina, dia atainginy eo an-tsoroky ny olona, nefa izy tsy mety hanetsika izany na dia amin’ny rantsan-tanany akory aza.

Fa ny fitandremana ny didiny no fitiavana an’Andriamanitra, ary tsy mavesatra ny didiny,