Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -

2Tantara 10:4 - DIEM PROTESTANTA

4 –Irainao dia nampitondra zioga mavesatra anay. Fa ankehitriny kosa, raha mba hamaivaninao ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra nampiantsorohany taminay, dia hanompo anao izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa ankehitriny, mba hamaivano ny fanompoana mafy nampanaovin’ny rainao sy ny zioga mavesatra izay nampitondrainy anay, dia hanompo anao izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 –Irainao dia nampitondra zioga mavesatra anay. Fa ankehitriny kosa, raha mba hamaivaninao ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra nampiantsorohany taminay, dia hanompo anao izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 «Irainao dia nampitondra jioga mavesatra anay, ka ankehitriny hamaivano ny fanompoana mafy nampitondrain-drainao anay sy ny jioga mavesatra nanindriany anay, dia hanompo anao izahay.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao ka mba hamaivano ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra izay nataony taminay, dia hanompo anao izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

La Bible en Malgache

4 Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa ankehitriny, mba hamaivano ny fanompoana mafy nampanaovin’ny rainao sy ny zioga mavesatra izay nampitondrainy anay, dia hanompo anao izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

2Tantara 10:4
15 Rohy Ifampitohizana  

–Irainao dia nampitondra zioga mavesatra anay. Fa ankehitriny kosa, raha mba hamaivaninao ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra nampiantsorohany anay, dia hanompo anao izahay.

Ary ny mponin’i Joda sy i Israely dia marobe tahaka ny fasika amoron-dranomasina. Nanan-kohanina sy hosotroina ireo ka niaina finaritra.

Niteny momba ny karazan-kazo izy, manomboka amin’ny hazo sederan’i Libano ka hatramin’ny hisôpa izay maniry eny am-bodirindrina; niteny momba ny biby koa izy, dia ny vorona sy ny biby mandady ary koa ny trondro.

Ary i Hirama mpanjakan’i Tiro dia sakaizan’i Davida hatramin’ny ela. Nanirahany solotena i Salômôna, satria reny fa voahosotra ho mpanjaka handimby an’i Davida rainy izy.

Ny Israelita kosa tsy mba nampanaovin’i Salômôna izany, fa narotsany ho miaramila na ho manamboninahitra na ho mpitari-tafika na ho mpiantafika voafantina na ho mpitondra kalesy na ho mpitaingin-tsoavaly.

Nisy olona nirahina haka azy ary tonga izy mbamin’ny Israelita tavaratra rehetra, ka niteny tamin-dRehabohama hoe:

Dia hoy ny navalin’i Rehabohama: –Rehefa afaka telo andro, dia miverena atỳ amiko indray ianareo. Dia lasa nody ny olona.

Tatỳ aoriana ela dia maty ny mpanjakan’i Ejipta. Nitoloko ny Israelita noho ny fanompoany ka niantso vonjy; ary tafakatra hatrany amin’Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoana.

Tezitra mafy tamin’ny vahoakako Aho, ka navelako hovetavetaina ilay anjara fananako. Natolotro teo an-tananao izy, kanefa tsy mba namindranao fo fa nampitondrainao zioga mavesatra hatramin’ny be antitra aza.

Entam-be sady tsy zaka no feheziny ka atainginy eo an-tsoroky ny olona, nefa na dia ny rantsan-tanan-dry zareo aza tsy tiany hanetsika izany.

Eny, ny fitiavana an’Andriamanitra dia ny fitandremantsika ireo didiny; sady tsy mavesatra ireo didiny ireo,

Araho izahay:

dokam-barotra

dokam-barotra