Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 10:10 - Baiboly Katolika

Ka izao kosa no navalin’ireo tovolahy indray nihira taminy azy: «Izao no lazao amin’ny vahoaka, izay niteny taminao hoe: Irainao nampitondra jioga mavesatra anay, fa ianao kosa dia hamaivano aminay izany! Izao no lazao aminy: Lehibe noho ny valahan’idada ny ankikeliko.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ireo tanora indray nihira taminy dia niteny taminy hoe: Izao no lazao amin’ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa ianao kosa, mba hamaivano aminay izany! Koa izao no lazao aminy: Ny ankikeliko dia lehibe noho ny andilan’ny raiko;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia hoy ireto tovolahy ireto tamin’i Rehabohama: –Niangavian’ireo vahoaka ireo ianao hanamaivana ny zioga mavesatra nampiantsorohan-drainao azy. Koa izao no lazao aminy: «Ny ankikeliko dia lehibe noho ny sandrin-draiko.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia hoy ireto tovolahy ireto tamin’i Rehabohama: –Niangavian’ireo vahoaka ireo ianao hanamaivana ny zioga mavesatra nampiantsorohan-drainao azy. Koa izao no lazao aminy: «Ny ankikeliko dia lehibe noho ny sandrin-draiko.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ireo tovolahy indray nihira taminy nanao taminy hoe: Izao no lazao amin’ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao, ka mba hamaivano aminay izany,–izao no lazao aminy Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan’ny raiko;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ireo tovolahy indray nihira taminy nanao taminy hoe: Izao no lazao amin'ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao, ka mba hamaivano aminay izany, izao no lazao aminy. Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan'ny raiko;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ireo tanora indray nihira taminy dia niteny taminy hoe: Izao no lazao amin’ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa ianao kosa, mba hamaivano aminay izany! Koa izao no lazao aminy: Ny ankikeliko dia lehibe noho ny andilan’ny raiko;

Jereo ny toko



2Tantara 10:10
14 Rohy Ifampitohizana  

Nankany Sikema i Rôbôama, fa tonga tany Sikema i Israely rehetra hampanjaka azy.


Koa izao àry, jioga mavesatra no nampitondrain’idada anareo: hataoko mavesabesatra kokoa ny jioganareo. Kotopia no namaizan’idada anareo, fa maingoka kosa no hamaizako anareo.»


«Inona no hevitra omenareo havaly ity vahoaka manao amiko hoe: Hamaivano ny jioga nampitondrain-drainao anay?»


Tahiry raketin’ny hendry ny fahendrena; fa loza mananontanona kosa ny vavan’ny adala.


Ny olo-marina rehetra miasa amim-piheverana; fa ny adala kosa manampatra ny hadalany.


Ny hendry matahotra, ka mivily tsy ho amin’ny ratsy; ny adala kosa mitroatra sy matokitoky foana.


Anaka, raha mitsahatra tsy mihaino fampianarana ianao, dia hanalavitra ny tenin’ny fahaizana.


Tsy misy fahendrena na fahamalinana, na fisainana eo anatrehan’i Iaveh.


Ny olona matimatin-karena, mamelona ady, fa izay mitoky amin’i Iaveh, dia ho voky.


Ny avonavon’ny olona, mamarina amin’ny fietrena; fa ny manetry tena ao am-po mahazo voninahitra.