volafotsy 600 sikla no fahazoana mampakatra sy mamoaka kalesy iray avy tany Ejipta, ary 150 sikla no fahazoana soavaly iray. Fa torak’izany ihany koa no nitondran’izy ireo ho an’ny mpanjakan’ny Heteanina rehetra sy ny mpanjakan’i Siria.
2Tantara 1:16 - Baiboly Katolika Avy any Ejipta no niavian’ny soavalin’i Salômôna, antokony iray tamin’ny mpandranton’ny mpanjaka no nandeha naka azy amin’andiany, araka ny vidiny efa nifanekena: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Avy tany Ejipta no nahazoan’i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin’ny mpivaro-mandehan’ny mpanjaka dia naka andiany iray araka izay vidiny. DIEM PROTESTANTA Ny soavalin’i Salômôna dia avy tany Ejipta sy Silisia; ireo mpandranton’ny mpanjaka no nividy azy tany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny soavalin’i Salômôna dia avy tany Ejipta sy Silisia; ireo mpandranton’ny mpanjaka no nividy azy tany. Baiboly Protestanta Malagasy Avy tany Egypta no nahazoan’i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin’ny mpandranton’ny mpanjaka dia naka andiany iray araka izay vidiny voatendry. Malagasy Bible Avy tany Egypta no nahazoan'i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin'ny mpandranton'ny mpanjaka dia naka andiany iray araka izay vidiny voatendry. La Bible en Malgache Avy tany Ejipta no nahazoan’i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin’ny mpivaro-mandehan’ny mpanjaka dia naka andiany iray araka izay vidiny. |
volafotsy 600 sikla no fahazoana mampakatra sy mamoaka kalesy iray avy tany Ejipta, ary 150 sikla no fahazoana soavaly iray. Fa torak’izany ihany koa no nitondran’izy ireo ho an’ny mpanjakan’ny Heteanina rehetra sy ny mpanjakan’i Siria.
Ny tany Ejipta sy ny tany rehetra, dia samy nangalan-tsoavaly ho an’i Salômôna avokoa.
Aoka anefa izy tsy hanan-tsoavaly betsaka na hitondra ny vahoaka hiverina any Ejipta mba hahazoany soavaly betsaka, fa hoy i Iaveh taminareo: Aza miverina amin’izany lalana izany intsony amin’ny sisa.