Fa nihodina Izy ka nilaza tamin’i Piera hoe: «Mialà amiko, ry Satana! manafintohina Ahy ity ianao, satria tsy mihevitra araka ny hevitr’Andriamanitra, fa araka ny an’ny olona.»
1Korintiana 3:1 - Baiboly Katolika Ary izaho, ry kristianina havana, dia tsy nahazo niteny taminareo toy ny amin’ny olona ara-panahy, fa toy ny amin’ny olona ara-batana sy mbola zaza ao amin’i Kristy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa izaho, ry rahalahy, dia tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin’izay araka ny Fanahy fa tahaka ny amin’izay mbola araka ny nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin’i Kristy. DIEM PROTESTANTA Koa izaho, ry havako, dia tsy afaka niteny taminareo toy ny amin’ny olona manana ny Fanahin’Andriamanitra; fa toy ny amin’ny olona mbola fehezin’ny maha olombelona no nitenenako taminareo, toy ny amin’ny olona zazavao amin’ny maha kristianina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa izaho, ry havako, dia tsy afaka niteny taminareo toy ny amin’ny olona manana ny Fanahin’Andriamanitra; fa toy ny amin’ny olona mbola fehezin’ny maha olombelona no nitenenako taminareo, toy ny amin’ny olona zazavao amin’ny maha kristianina. Baiboly Protestanta Malagasy ARY izaho, ry rahalahy, tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin’izay araka ny Fanahy, fa tahaka ny amin’izay mbola nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin’i Kristy. Malagasy Bible Ary izaho, ry rahalahy, tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin'izay araka ny Fanahy, fa tahaka ny amin'izay mbola nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin'i Kristy. La Bible en Malgache Fa izaho, ry rahalahy, dia tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin’izay araka ny Fanahy fa tahaka ny amin’izay mbola araka ny nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin’i Kristy*. |
Fa nihodina Izy ka nilaza tamin’i Piera hoe: «Mialà amiko, ry Satana! manafintohina Ahy ity ianao, satria tsy mihevitra araka ny hevitr’Andriamanitra, fa araka ny an’ny olona.»
Fa fantatsika fa ny Lalàna dia ara-panahy, ary izaho kosa dia ara-nofo, namidy ho andevon’ny fahotana.
Ry kristianina havana, aoka tsy ho zaza amin’ny faharatsiana; mitsangàna ho lehilahy amin’ny fisainana e.
Raha misy manao azy ho mpaminany, na manana ny Fanahy, dia aoka ho fantany tsara fa didin’ny Tompo izay soratako ho anareo,
Mitory fahendrena amin’izay efa lavorary ihany izahay; nefa tsy mba ny fahendren’izao tontolo izao izany, na an’ny mpanapak’izao tontolo izao, izay olona efa ho levona;
Ry kristianina havana, raha misy olona azon-javatra tsy fidiny ka diso, dia aoka ianareo olona ara-panahy hananatra azy amin-kamoram-po, sy hitandrina fandrao mba azon’ny fakam-panahy koa.
Ary izay mbola ronono no ivelomany, dia tsy mahazaka ny tenim-pahamarinana, satria mbola zaza.