Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Korintiana 1:4 - Baiboly Katolika

Isaorako an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, noho ny fahasoavan’Andriamanitra nomena anareo ao amin’i Jesoa Kristy:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Misaotra an’Andriamanitro mandrakariva ny aminareo aho noho ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena anareo ao amin’i Kristy Jesosy,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Velom-pisaorana mandrakariva an’Andriamanitro ny aminareo aho noho ny fahasoavana efa nomeny anareo izay tafaray amin’i Kristy Jesoa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Velom-pisaorana mandrakariva an’Andriamanitro ny aminareo aho noho ny fahasoavana efa nomeny anareo izay tafaray amin’i Kristy Jesoa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Misaotra an’Andriamanitro mandrakariva ny aminareo aho noho ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena anareo ao amin’i Kristy Jesosy,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Misaotra an'Andriamanitro mandrakariva ny aminareo aho noho ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena anareo ao amin'i Kristy Jesosy,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Misaotra an’Andriamanitro mandrakariva ny aminareo aho noho ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena anareo ao amin’i Kristy* Jesosy,

Jereo ny toko



1Korintiana 1:4
12 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy Izy taminy: «Tsy ny olona rehetra no mahazo izany teny izany, fa izay nomena fahasoavana ihany.


Izaho sy ny Ray dia iray ihany.»


Raha mangataka zavatra amiko amin’ny Anarako ianareo, dia hotanterahiko izany.


Ary Izaho kosa hangataka amin’ny Ray, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo, mba hitoetra ao aminareo mandrakizay,


Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny Anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo.


Rehefa tonga ny Mpanafaka alahelo izay hirahiko aminareo avy amin’ny Ray dia ny Fanahin’ny fahamarinana izay avy amin’ny Ray, dia Izy no hanambara Ahy.


Nony tonga tany izy ka nahita ny fahasoavan’Andriamanitra, dia faly sy namporisika azy rehetra mba haharitra ao amin’ny Tompo amin-kerim-po.


Nony nandre izany izy ireo, dia nankalaza an’Andriamanitra sy nanao taminy hoe: «Hitanao, ry rahalahy, fa arivo maro ny Jody nino izao, nefa mbola fatra-pitana ny Lalàna izy rehetra.


Voalohany aloha, misaotra an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy aho, noho ny aminareo rehetra, fa malaza amin’izao tontolo izao ny finoanareo.


Ary isaorana Andriamanitra, fa na dia nanompo ny fahotana aza anie ianareo, dia nanaiky tao am-po tokoa ny fitsipi-pampianarana natolotra anareo;


ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika, sy i Jesoa Kristy Tompo.


fa nony nomban’ny finoana amim-pitiavana izay ao amin’i Kristy Jesoa, dia nihoa-pampana ny fahasoavan’ny Tompontsika.