Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Timoty 6:21 - Baiboly Katolika

izay narahin’ny sasany ka nampihataka azy tamin’ny finoana. Ho ao aminareo anie ny fahasoavana!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Neken’ny sasany izany ka nania tamin’ny finoana izy. Ho aminareo anie ny fahasoavana!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nihambo hanana izany fahalalana izany ny sasany, ka nihataka tamin’ny finoana. Homba anareo anie ny fahasoavan’Andriamanitra!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nihambo hanana izany fahalalana izany ny sasany, ka nihataka tamin’ny finoana. Homba anareo anie ny fahasoavan’Andriamanitra!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

izay neken’ny sasany, ka nania tamin’ny finoana izy. Ho aminareo anie ny fahasoavana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

izay neken'ny sasany, ka nania tamin'ny finoana izy. Ho aminareo anie ny fahasoavana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Neken’ny sasany izany ka nania tamin’ny finoana izy. Ho aminareo anie ny fahasoavana!

Jereo ny toko



1Timoty 6:21
13 Rohy Ifampitohizana  

ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amen.


mamangy anareo rehetra malalan’Andriamanitra any Rôma, izay olo-masina voaantsony: ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika, sy i Jesoa Kristy Tompo.


Ny Andriamanitry ny fiadanana anie hanorotoro faingana an’i Satana eo ambanin’ny tongotrareo. Ary ho ao aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika.


Manao veloma anareo i Gaiosy, ilay itoeranay, mbamin’ny Eglizy rehetra. Manao veloma anareo i Erasta, mpitahiry ny volam-panjakana eto an-tanàna, sy i Koartosy havantsika.


Veloma, hoy izaho Paoly, amin’ity sora-tanako ity. Tsarovy ny fifatorako. Ho ao aminareo anie ny fahasoavana. Amen.


sy amim-pitanana ny finoana sy ny kônsiansy tsara izay efa narian’ny sasany, ka rendrika ny amin’ny finoana terỳ izy ireny;


fa efa nivilian’ny sasany izany, ka nilaozany nankany amin’ny bedibedy foana;


Satria ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, ka ny sasany nentin’izany, dia efa nivily lavitry ny finoana, sy nandefona ny tenany tamin’ny fijaliana maro.


izay nania tamin’ny marina, ka milaza fa efa vita sahady ny fitsanganan’ny maty, ary mandrava ny finoan’ny sasany.


Ho ao amin’ny fanahinao anie i Jesoa Kristy Tompo. Ary ho ao aminareo anie ny fahasoavana.


Manao veloma anao avokoa izay rehetra tia antsika amin’ny finoana. Ho ao aminareo rehetra anie ny fahasoavana.


Ho ao aminareo rehetra anie ny fahasoavana.