Nefa aza ihinananao ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa ho faty mihitsy ianao amin’ny andro hihinananao.»
1Timoty 5:6 - Baiboly Katolika fa izay manaram-po amin’ny fahafinaretana foana, dia toa velona, nefa maty tenany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa izay vehivavy manaram-po amin’ny fahafinaretana dia maty fahavelony. DIEM PROTESTANTA Fa ny mpitondratena, manaram-po amin’ny fahafinaretana, dia efa maty fanahy mbola velona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa ny mpitondratena, manaram-po amin’ny fahafinaretana, dia efa maty fanahy mbola velona. Baiboly Protestanta Malagasy Fa izay vehivavy manaram-po amin’ny fahafinaretana dia maty fahavelony. Malagasy Bible Fa izay vehivavy manaram-po amin'ny fahafinaretana dia maty fahavelony. La Bible en Malgache Fa izay vehivavy manaram-po amin’ny fahafinaretana dia maty fahavelony. |
Nefa aza ihinananao ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa ho faty mihitsy ianao amin’ny andro hihinananao.»
Kanjo fety amam-piravoravoana no hita; manominda omby ny olona, mamono ondry, mivoky hena sy misotro divay, manao hoe: «Aoka hihinana sy hisotro isika, fa ho faty ihany rahampitso.»
Midìna, mipetraha amin’ny vovoka, ry virjiny, zanaka vavin’i Babilôna; mipetraha amin’ny tany, fa tsy amin’ny seza fiandrianana, ry zanaka vavin’ny Kaldeanina; fa ianao tsy hantsoina intsony hoe: Ikala kiankianina, Ikala miangetsana.
Ireo nihinan-kanim-pỳ fahizay, dia midaboky ny hanoanana eny an-dalambe; mandamaka eny amin’ny zezika ireo nolanjaina mipetraka amin’ny jaky.
ary holazaiko amin’ny fanahiko hoe: Ry fanahiko, manam-pananana be ampy ho amin’ny taona maro ianao ka mialà sasatra, mihinàna, misotroa, manaova fihinanam-be.
Nony afaka andro vitsivitsy, dia nangonin’ilay zandriny ny fananany rehetra ka lasa nankany an-tany lavitra izy, nandany ny fananany tamin’ny fitondran-tena ratsy.
fa ity zanako ity dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray. Dia nifaly izy rehetra.
fa mety kosa ny manao fihinanam-be sy fifaliana, satria io rahalahinao io, dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray.
«Nisy mpanan-karena anankiray niakanjo jaky sy rongonim-bazaha madinika, sady nanao fihinanam-be isan’andro.
Sa hizaha inona no nalehanareo tany? Lehilahy tsara fitafiana va? Raha izay tsara fitafiana sy manao fiainana, dia any an-tranon’ny mpanjaka no itoerany.
na dia fony mbola matin’ny fahotana aza isika, no nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo);
Izany no nanoratana hoe: Mifohaza ianao izay matory, ary mitsangàna avy any amin’ny maty, dia hanazava anao i Kristy.
Ny lehilahy fatra-piangentsana sy zatra manao fiainana indrindra aminareo, ho ratsy fijery ny rahalahiny sy ny vady mandry eo am-pofoany ary ny zanany sisa tsy novonoiny,
Ny vehivavy fatra-piangentsana sy zatra manao fiainana indrindra aminareo, izay malemilemy sy sarotsarotiny ka tsy sahy manitsaka ny tany amin’ny faladiany akory, dia ho ratsy fijery ny vady mandry eo am-pofoany, sy ny zanany lahy aman-janany vavy,
Koa ianareo izay matin’ny fahotanareo sy ny tsy fiforàn’ny vatanareo, dia novelomin’Andriamanitra niaraka taminy indray, nony efa navelany ny fahotantsika rehetra.
Fa anisan’izany ireo mitsofoka any an-tranon’ny sasany mambabo vehivavy adala vesaran’ny ota sy tarihin’ny filana maro,
Nivelona teto an-tany tamin’ny hanim-py ianareo sy nanaram-batana tamin’ny fahafinaretana; namoky ny fonareo tamin’ny andro fandringanana ianareo.
ataovy toraka ny niavonavonany sy nilibàny tamin’ny zava-mahafinaritra azy no hamafin’ny fampijaliana sy fampahoriana azy. Fa izao no hambom-pony: «Mpanjakavavy aho fa tsy mpitondratena, ka lavitra ahy raha izay fisaonana!»
Manorata koa ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Sarda: Izao no lazain’Ilay manana ny Fanahy fiton’Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao; malaza hoe velona ianao, nefa maty.
Ka hoy i Samoela: «Ento mankatỳ amiko i Agaga mpanjakan’i Amaleka». Miramirana endrika i Agaga nanatona azy, fa hoy i Agaga: «Lasa tokoa ny ngidin’ny fahafatesana!»
Ary izao no lazao aminy: Ho ela velona anie ianao! Ho ao aminao anie ny fiadanana, ho ao amin’ny ankohonanao anie ny fiadanana, ho ao amin’ny zavatra rehetra anananao anie ny fiadanana.