Efa niteny i Iaveh nanao hoe: «Noho ireo zanaka vavin’i Siôna tonga mpiavonavona, mandeha misolanandrana, mianjonanjom-pijery, malako famindra, ary mampikorintsandrintsana ny masom-bola fehitongony,
1Timoty 5:11 - Baiboly Katolika Fa aza mandray ny mpitondratena tanora satria rehefa voan’ny filan’ny nofo ka tofoka an’i Kristy ireny, dia te hanambady indray, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa mandava kosa ny mpitondratena mbola tanora; fa rehefa mampitodika azy hanalavitra an’i Kristy ny faniriany dia ta hanambady indray izy izay. DIEM PROTESTANTA Aza ekena ho anaty lisitra ireo mpitondratena mbola tanora, satria rehefa voan’ny filàm-pahafinaretana izy dia miala amin’i Kristy ary te hanambady indray; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Aza ekena ho anaty lisitra ireo mpitondratena mbola tanora, satria rehefa voan’ny filàm-pahafinaretana izy dia miala amin’i Kristy ary te hanambady indray; Baiboly Protestanta Malagasy Fa mandava ny mpitondratena tanora; fa raha tsy maharitra ny fifehezan’i Kristy izy, dia ta-hanambady Malagasy Bible Fa mandava ny mpitondra-tena tanora; fa raha tsy maharitra ny fifehezan'i Kristy izy, dia ta-hanam-bady La Bible en Malgache Fa mandava kosa ny mpitondratena mbola tanora; fa rehefa mampitodika azy hanalavitra an’i Kristy* ny faniriany dia ta hanambady indray izy izay. |
Efa niteny i Iaveh nanao hoe: «Noho ireo zanaka vavin’i Siôna tonga mpiavonavona, mandeha misolanandrana, mianjonanjom-pijery, malako famindra, ary mampikorintsandrintsana ny masom-bola fehitongony,
Nony nahazo hanina izy ireo, dia nivoky; nivoky izy ka nisondrotra ny fony; ka izany no nanadinoany Ahy.
Kanjo nihanatavy i Jesoròna ka nibohy; - eny efa tonga matavy sy botrefona ary dongadonga ianao, ka dia nahafoy ny Andriamanitra izay nanao azy sy naniratsira ny Vatolampy famonjena azy.
handrara tsy hanambady izy, ary hampifady ny hanina nataon’Andriamanitra horaisin’ny mpino sy ny mpahalala ny marina amim-pisaorana.
Koa tiako aza hanam-bady ireny mbola tanora ireny, mba hanan-janaka, sy hitondra ny tokantranony; ary tsy hanome basy hamelezan’ny fahavalo vava ratsy.
Ny soratana ho isan’ny mpitondratena dia aoka tsy ho latsaka ny enimpolo taona, tsy nanambady afa-tsy indray mandeha,
Nivelona teto an-tany tamin’ny hanim-py ianareo sy nanaram-batana tamin’ny fahafinaretana; namoky ny fonareo tamin’ny andro fandringanana ianareo.
Teny manodòka sy tsy misy heviny no itarihany an’izay vao nandao ny olon-dratsy hevitra, hanaraka ny fanirian-dratsin’ny nofo sy ny fahalotoana.
Satria ny firenena rehetra nisotro ny divaim-pahatezerana noho ny fijangajangany; ny mpanjakan’ny tany nijangajanga taminy, ary ny mpivarotra etỳ an-tany nahazo harena tamin’ny filibàny amin’ny zava-mahafinaritra azy nihoa-pampana.»
ataovy toraka ny niavonavonany sy nilibàny tamin’ny zava-mahafinaritra azy no hamafin’ny fampijaliana sy fampahoriana azy. Fa izao no hambom-pony: «Mpanjakavavy aho fa tsy mpitondratena, ka lavitra ahy raha izay fisaonana!»
Hitomany azy sy higogogogo ny mpanjakan’ny tany, izay nijangajanga taminy, sy niara-niliba taminy tamin’ny fahafinaretan’ny nofo, rehefa mahita ny setroky ny fandoroana azy.