Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Timoty 3:10 - Baiboly Katolika

ary aoka hozahan-toetra izy aloha, vao manao ny raharahany, rehefa hita fa tsy manan-tsiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Aoka hozahan-toetra aloha ireo, izay vao hanao ny asan’ny diakona izy raha tsy manan-tsiny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary aoka hozahan-toetra aloha izy ireo; ka rehefa hita fa tsy manan-tsiny, vao hahazo manao ny asan’ny diakônina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary aoka hozahan-toetra aloha izy ireo; ka rehefa hita fa tsy manan-tsiny, vao hahazo manao ny asan’ny diakônina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary aoka hizahan-toetra ireo aloha, dia vao hanao ny asan’ny diakona izy, raha tsy manan-tsiny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary aoka hizahan-toetra ireo aloha, dia vao hanao ny asan'ny diakona izy, raha tsy manan-tsiny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Aoka hozahan-toetra aloha ireo, izay vao hanao ny asan’ny diakona izy raha tsy manan-tsiny.

Jereo ny toko



1Timoty 3:10
9 Rohy Ifampitohizana  

Izy ihany koa no hampiorina anareo hatramin’ny farany, mba tsy hanan-tsiny ianareo amin’ny andron’i Jesoa Kristy Tompontsika.


fa ankehitriny kosa dia nampihavaniny amin’ny Tenany nofo tamin’ny nahafatesany, mba hatsangany masina sy madio ary tsy manan-tsiny eo anatrehany,


Fa izay mahatontosa tsara ny raharahany, dia mahazo laharana mihaja ho an’ny tenany, sy fahatokiana lehibe amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesoa.


Koa ny Pretra dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, tsy nanambady afa-tsy indray mandeha monja, mahonon-tena, hendry, maotona sy mendrimendrika, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra,


Tsy zazavao amin’ny fivavahana, fandrao dia mieboebo foana ka latsaka amin’ny fanamelohana nanjò ny demony.


Aza malaky mametra-tanana amin’iza na iza, ary aza miombona ota amin’olona, fa tahirizo madio ny tenanao.


Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa zahao toetra ny fanahy raha avy amin’Andriamanitra na tsia; satria maro ny mpaminany sandoka efa miely amin’izao tontolo izao.