Raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin’ny Eglizy; ary raha tsy mihaino ny Eglizy koa, dia ataovinao tahaka ny Jentily sy ny poblikanina.
1Timoty 1:20 - Baiboly Katolika anisan’ireny i Himeneo sy i Aleksandra, izay natolotro an’i Satana, mba hofaizana tsy hiteny ratsy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 naman’ireny i Himeneo sy i Aleksandra, izay natolotro ho an’i Satana mba hofaizina tsy hiteny ratsy. DIEM PROTESTANTA anisan’ireny ry i Himeneo sy i Aleksandra izay natolotro an’i Satàna mba ho faizina tsy hanevateva an’Andriamanitra intsony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara anisan’ireny ry i Himeneo sy i Aleksandra izay natolotro an’i Satàna mba ho faizina tsy hanevateva an’Andriamanitra intsony. Baiboly Protestanta Malagasy naman’ireny Hymeneo sy Aleksandro, izay natolotro ho an’i Satana mba hofaizina tsy hiteny ratsy. Malagasy Bible naman'ireny Hymeneo sy Aleksandro, izay natolotro ho an'i Satana mba hofaizana tsy hiteny ratsy. La Bible en Malgache naman’ireny i Himeneo sy i Aleksandra, izay natolotro ho an’i Satana mba hofaizina tsy hiteny ratsy. |
Raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin’ny Eglizy; ary raha tsy mihaino ny Eglizy koa, dia ataovinao tahaka ny Jentily sy ny poblikanina.
Fa feno fialonana ny Jody nony nahita izany vahoaka be izany, ka sady nanohitra ny teny nolazain’i Paoly no nanevateva azy.
Tamin’izay, nalaina teo amin’ny vahoaka i Aleksandra, ka naroson’ny Jody. Dia nanofa tanana hampangina ny olona i Aleksandra, fa nikasa hiteny tamin’ny vahoaka.
Ary isika no tsaraina sy faizin’ny Tompo, dia ny mba tsy hanamelohana antsika miaraka amin’izao tontolo izao.
Izany no anoratako ireo zavatra ireo aminareo, dieny tsy mbola eo aminareo aho, fandrao dia voatery hanao mafy loatra aho, rehefa tonga, noho ny fahefana nomen’ny Tompo ahy, ho fananganana fa tsy ho fandravana.
Ampahatsiarovy ny olona izany, ary anaro eo anatrehan’Andriamanitra izy mba tsy hiady teny foana, satria tsy mahasoa akory izany, fa mamohehatra ny mpihaino aza.
fa ho tia tena ny olona, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, mpiteny ratsy, mpanohi-dray aman-dreny, tsy mankasitraka, tsy tia vavaka,
Ary efa hadinonareo ny fananarana milaza aminareo toy ny amin’ny zanaka hoe: Anaka, aza manamavo ny famaizan’ny Tompo, ary aza mba ketraka amin’ny fananarany anao;
Raha efa izany, dia nahita Biby anankiray niakatra avy amin’ny ranomasina aho; fito ny lohany, folo ny tandrony, satroboninahitra folo no teny an-tandrony, ary anarana fanevatevana an’Andriamanitra no tamin’ny lohany.