Ary iza aminareo, na dia manahy aza, no mahay manalava ny tenany na dia iray hakiho ihany aza?
1Timoty 1:19 - Baiboly Katolika sy amim-pitanana ny finoana sy ny kônsiansy tsara izay efa narian’ny sasany, ka rendrika ny amin’ny finoana terỳ izy ireny; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 amin’ny itananao ny finoana sy ny fieritreretana tsara, izay efa narian’ny sasany, koa toy ny olona vaky sambo izy amin’ny lafin’ny finoana; DIEM PROTESTANTA tano ny finoana ary manàna fieritreretana tsara. Fa misy olona nitsipaka ny feon’ny fieritreretany, ka nandrendrika ny finoany; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara tano ny finoana ary manàna fieritreretana tsara. Fa misy olona nitsipaka ny feon’ny fieritreretany, ka nandrendrika ny finoany; Baiboly Protestanta Malagasy amin’ny itananao ny finoana sy ny fieritreretana tsara, izay efa narian’ny sasany, ka toy ny olona vaky sambo izy ny amin’ny finoana; Malagasy Bible amin'ny itananao ny finoana sy ny fieritreretana tsara, izay efa narian'ny sasany, ka toy ny olona vaky sambo izy ny amin'ny finoana; La Bible en Malgache amin’ny itananao ny finoana sy ny fieritreretana tsara, izay efa narian’ny sasany, koa toy ny olona vaky sambo izy amin’ny lafin’ny finoana; |
Ary iza aminareo, na dia manahy aza, no mahay manalava ny tenany na dia iray hakiho ihany aza?
satria tsy maintsy misy an-daniny maro eo aminareo, mba hihariharian’izay olona voazaha toetra eo aminareo.
Fa tafasaraka amin’i Kristy ianareo rehetra mitady fahamarinana amin’ny Lalàna, ka lavo niala tamin’ny fahasoavana ianareo.
Ny antony kendrena amin’izany didy izany, dia ny fitiavana avy amin’ny fo madio sy kônsiansy tsara ary finoana tsy misy famahony;
Miadia ny ady tsaran’ny finoana, ary mahazoa ny fiainana mandrakizay, izay niantsoana anao, sy nanaovanao fanekem-pinoana fatratra teo imason’ny vavolombelona maro.
izay narahin’ny sasany ka nampihataka azy tamin’ny finoana. Ho ao aminareo anie ny fahasoavana!
Fa izay te hanan-karena, dia tafalatsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika amam-pilàna maro tsy misy heviny sy mampidi-doza, izay mandentika ny olona amin’ny fandringanana amam-pahaverezana.
izay nania tamin’ny marina, ka milaza fa efa vita sahady ny fitsanganan’ny maty, ary mandrava ny finoan’ny sasany.
dia hanentsin-tadîny amin’ny marina izy ireo, fa hanongilan-tsofina amin’ny angano foana.
mitana mafy ny teny marina nampianarina azy, mba hahaizany mamporisika araka ny fampianarana marina, sy handresy lahatra izay manohitra izany.
Fa efa tonga mpiombona amin’i Kristy isika, raha tanantsika mafy hatramin’ny farany ny fahatokiantsika voalohany,
Teo amintsika no niala ihany izy ireo, nefa tsy anisantsika; fa raha anisantsika izy, dia ho niara-nitoetra tamintsika; izy no niala dia mba hampiharihary fa tsy anisantsika izy rehetra.
Ary noho ianao nitandrina ny teniko ny amin’ny fandeferana, Izaho kosa hitandrina anao amin’ny andron’ny fakam-panahy, izay ho tonga amin’izao tontolo izao ho fitsapan-toetra ny mponina eto an-tany.
Koa tsarovy ny fampianarana noraisinao sy nohenoinao, dia tano izany, ka mibebaha. Fa raha tsy miambina ianao, dia ho avy ao aminao toy ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako ao aminao.
Fantatro ny asanao. Fa manan-kery kely ihany ianao, ka nitandrina ny teniko sy tsy nandà ny Anarako; koa indro, varavarana mivoha tsy misy mahahidy no nataoko teo anoloanao.