Tsy mitady afa-tsy fikomiana ny ratsy fanahy, fa handefasana iraka masiaka hamely azy kosa izy.
1Petera 2:13 - Baiboly Katolika Koa, noho ny Tompo, dia maneke ny lehibe rehetra voatendrin’ny olona: na ny mpanjaka, satria ambony izy, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary noho ny Tompo dia maneke izay rehetra voatendrin’ny olona, na ny mpanjaka satria ambony izy, DIEM PROTESTANTA Noho ny Tompo dia maneke ny fahefana rehetra misy eo amin’ny olombelona: na ny filoham-pirenena izany, satria mpitondra faratampony izy; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Noho ny Tompo dia maneke ny fahefana rehetra misy eo amin’ny olombelona: na ny filoham-pirenena izany, satria mpitondra faratampony izy; Baiboly Protestanta Malagasy Ary noho ny Tompo dia maneke izay rehetra voatendrin’ny olona, na ny mpanjaka, satria ambony izy, Malagasy Bible Ary noho ny Tompo dia maneke izay rehetra voatendrin'ny olona, na ny mpanjaka, satria ambony izy, La Bible en Malgache Ary noho ny Tompo dia maneke izay rehetra voatendrin’ny olona, na ny mpanjaka satria ambony izy, |
Tsy mitady afa-tsy fikomiana ny ratsy fanahy, fa handefasana iraka masiaka hamely azy kosa izy.
Anaka, matahora an’i Iaveh sy ny mpanjaka, ary aza mba miharoharo amin’ny olona mpanakorontana.
Mikatsaha soa ho an’ny tanàna nitondrako anareo ho babo, ary mangataha amin’i Iaveh ho azy, fa soa ho anareo ny soa ho azy.
«An’i Sezara,» hoy ireo. «Raha izany àry, hoy Izy, dia aloavy ho an’i Sezara izay an’i Sezara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.»
Dia hoy i Jesoa taminy: «Aloavy ho an’i Sezara àry izay an’i Sezara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.» Dia nigagan’izy ireo Izy.
Dia hoy Izy taminy: «Aloavy ho an’i Sezara àry izay an’i Sezara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.»
Ampahatsiarovy ny mpino fa adidin’izy ireo ny manaiky ny mpanapaka sy ny manam-pahefana, ka tsy maintsy manoa azy ireo izy sy vonon-kanao ny asa soa rehetra,
Hajao ny olona rehetra, tiavo ny havana iray finoana, matahora an’Andriamanitra, ary omeo voninahitra ny mpanjaka.
indrindra fa ireo manaram-po amin’ny filàn-dratsin’ny nofo, sy manamavo ny Fahandrianana. Sahy zavatra sy mirehareha loatra izy ireo, fa tsy matahotra ny hiteny ratsy ireo Voninahitra akory,