1Petera 1:22 - Baiboly Katolika Noho ianareo efa nandio ny fonareo tamin’ny fanarahana ny fahamarinana, sy efa nilatsa-tenany tamin’izany, hanaraka ny fitiavana marina ny havana iray finoana, dia mifankatiava fatratra amin’ny fo tokoa; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin’ny fanarahana ny fahamarinana ho amin’ny fitiavan-drahalahy tsy mihatsaravelatsihy dia mifankatiava fatratra amin’ny fo madio. DIEM PROTESTANTA Efa nandio ny fanahinareo ianareo tamin’ny nanekenareo ny fampianarana marim-pototra mba ho fitiavana tsy misy fihatsarambelatsihy no hitiavanareo ny havana iray finoana, koa mifankatiava fatratra amin’ny fonareo tokoa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Efa nandio ny fanahinareo ianareo tamin’ny nanekenareo ny fampianarana marim-pototra mba ho fitiavana tsy misy fihatsarambelatsihy no hitiavanareo ny havana iray finoana, koa mifankatiava fatratra amin’ny fonareo tokoa. Baiboly Protestanta Malagasy Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin’ny fanarahana ny fahamarinana ho amin’ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra, dia mifankatiava fatratra amin’ny fo; Malagasy Bible Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin'ny fanarahana ny fahamarinana ho amin'ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra dia mifankatiava fatratra amin'ny fo; La Bible en Malgache Koa satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin’ny fanarahana ny fahamarinana ho amin’ny fitiavan-drahalahy tsy mihatsaravelatsihy dia mifankatiava fatratra amin’ny fo madio. |
Dia niely ny tenin’Andriamanitra, nihamaro be dia be ny mpianatra tao Jerosalema, ary betsaka koa ny mpisorona nanaiky ny finoana.
izay nandraisanay ny fahasoavana sy ny maha Apôstôly anay mba hampanaiky ny Jentily rehetra ny finoana, amin’ny Anarany,
fa fahatezerana amam-pahavinirana kosa ho an’izay fatra-pikiry sy tsy manaiky ny marina, fa mpanaraka ny ratsy.
Satria raha velona ara-nofo ianareo dia ho faty; fa raha vonoinareo amin’ny Fanahy ny asan’ny nofo, dia ho velona ianareo.
ary fahadiovan-toetra, fahalalana, faharetam-po, hamoram-panahy, ny Fanahy Masina, fitiavana tsy mihatsaravelatsihy,
Ry Galata adala! iza no dia nandrebireby anareo, nefa he fa voapetaka tsara teo imasonareo i Jesoa mifantsika!
Izahay kosa dia amin’ny Fanahy sy noho ny finoana no iandrasanay ny fanantenana ny fahamarinana;
Efa nihazakazaka tsara ianareo, ka iza indray no dia nisakana anareo tsy hanaiky ny marina?
Ary izao no angatahiko aminy, dia ny hitombo bebe kokoa hatrany hatrany amin’ny fahaizana amam-pahalalana rehetra ny fitiavanareo,
ary ny Tompo hampitombo sy hampandroso anareo amin’ny fifankatiavanareo, sy amin’ny fitiavanareo ny olona rehetra, tahaka anay aminareo izao!
Tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo, ry kristianina havana, fa rariny izany, satria ny finoanareo, mandroso fatratra; ny fifankatiavanareo, mitombo hatrany hatrany.
Ary izahay, ry havana malalan’ny Tompo, dia tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, noho ianareo nofidin’Andriamanitra hatramin’ny voalohany hahazo famonjena amin’ny fanamasinan’ny Fanahy, sy amin’ny finoana ny marina;
Mampahatsiahy anao aho, fa fony aho ndeha ho any Masedônia, dia nangataka anao hitoetra ao Efezy, mba handidy ny sasany tsy hanao fampianarana tsy izy,
Ny antony kendrena amin’izany didy izany, dia ny fitiavana avy amin’ny fo madio sy kônsiansy tsara ary finoana tsy misy famahony;
Aoka tsy hisy olona hanamavo anao noho ny fahatanoranao, fa aoka ho fakan-tahaka ho an’ny mpino ianao amin’ny teny, amin’ny fitondran-tena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, ary amin’ny fahadiovana.
Ary aoka ny Fanahy Masina, izay mitoetra ao amintsika, no hoentinao mitahiry ny zavatra tsara napetraka taminao.
Ny finoana no naneken’i Abrahama ny fiantsoan’Andriamanitra azy, handeha ho any amin’ny tany izay horaisiny ho lova, ka niainga izy nefa tsy fantany akory izay halehany.
ary ankehitriny, efa tonga amin’izay fanaperana Izy, ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay ho an’izay manaiky Azy,
Fa tsy mba tsy marina Andriamanitra, sanatria! Ka hanadino ny asanareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho voninahitry ny Anarany, tamin’ny nanampianareo sy mbola anampianareo ny olo-masina.
mainka ny Ran’i Kristy izay nanolotra ny Tenany tsy manan-tsiny tamin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hanadio ny fontsika ho afaka amin’ny asa maty, mba hanompoantsika an’Andriamanitra velona!
Koa ario ny fahalotoanareo rehetra, sy ny faharatsiana rehetra; ary raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.
Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy mangarangarana ny fonareo, ry mpiroa saina.
araka ny fahalalan’Andriamanitra Ray rahateo, tamin’ny fanamasinan’ny Fanahy, mba hankatò ny finoana, sy hanana anjara amin’ny famafazana ny Ran’i Jesoa Kristy: hitombo fahasoavana sy fiadanana hatrany hatrany anie ianareo!
Hajao ny olona rehetra, tiavo ny havana iray finoana, matahora an’Andriamanitra, ary omeo voninahitra ny mpanjaka.
Toy izany koa ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, ka raha misy ny sasany tsy mino ny Evanjely, dia mba ho voataonan’ny fitondran-tenan’ny vadiny, na dia tsy amin’ny fitorian-teny aza,
dia ireo fanahy tsy nino fahiny, fony niandry ny fahari-pon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Nôe, mandritra ny nandrafetana ny sambo fiara, izay nampidirana olona vitsy, dia valo monja, sy namonjena azy teo tamin’ny rano.
Farany, miraisa saina ianareo rehetra, miombòna alahelo, mifankatiava toy ny mpiray tam-po, mifamindrà fo, manetre tena.
Fa indro tonga ny andro hiantombohan’ny fitsarana amin’ny fianakavian’Andriamanitra, ka raha miantomboka amintsika izany, hanao ahoana kosa no hiafaran’izay tsy mino ny Evanjelin’Andriamanitra?
Fa indrindra indrindra, mifankatiava fatratra, fa ny fitiavana manarona fahotana maro.
ny fitiavam-bavaka asio fitiava-namana; ny fitiava-namana asio fitiavana an’Andriamanitra.
Satria araka ny teny azo sy renareo hatramin’ny voalohany dia tsy maintsy mifankatia isika,
Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika an’i Jesoa Kristy Zanany, sy ny hifankatiavantsika, araka ny didy nomeny antsika.
Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana. Fa raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra, ary lavorary ao amintsika ny fitiavana Azy.
Raha misy milaza azy ho tia an’Andriamanitra, nefa mankahala ny namany, dia mpandainga izy; satria, raha ny namany hitany aza tsy tiany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra tsy hitany?
Ry malala, aoka hifankatia isika, fa ny fitiavana dia avy amin’Andriamanitra, ary izay rehetra tia dia avy amin’Andriamanitra, sy mahalala an’Andriamanitra.