Ny amin’ny asa fanaon’ny olona dia narahiko ny tenin’ny molotrao, ka nitandrin-tena tamin’ny lalan’ny mpanao an-keriny aho.
1Jaona 4:5 - Baiboly Katolika Avy amin’izao tontolo izao izy ireny, ka izany no anaovany fitenin’izao tontolo izao, sy ihainoan’izao tontolo izao azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Isan’izao tontolo izao ireny ka miteny araka ny an’izao tontolo izao izy ary mihaino azy izao tontolo izao. DIEM PROTESTANTA Ireny mpaminany sandoka ireny dia anisan’izao tontolo izao, ka izany no itenenany zavatra avy amin’izao tontolo izao sy ihainoan’izao tontolo izao azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireny mpaminany sandoka ireny dia anisan’izao tontolo izao, ka izany no itenenany zavatra avy amin’izao tontolo izao sy ihainoan’izao tontolo izao azy. Baiboly Protestanta Malagasy Isan’izao tontolo izao ireny, ka dia miteny araka ny an’izao tontolo izao izy, ary mihaino azy izao tontolo izao. Malagasy Bible Isan'izao tontolo izao ireny, ka dia miteny araka ny an'izao tontolo izao izy, ary mihaino azy izao tontolo izao. La Bible en Malgache Isan’izao tontolo izao ireny ka miteny araka ny an’izao tontolo izao izy ary mihaino azy izao tontolo izao. |
Ny amin’ny asa fanaon’ny olona dia narahiko ny tenin’ny molotrao, ka nitandrin-tena tamin’ny lalan’ny mpanao an-keriny aho.
Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Aza mety hofitahin’ny mpaminaninareo, izay eo aminareo, na ny mpanao fankatoavanareo; ary aza mihaino ny nofy alainareo ho nofy.
Ny mpaminany, maminany lainga, ny mpisorona, mitondra araka izay sitrak’ireo mpaminany ireo; ary ny vahoakako mankasitraka izany! Ka inona no hataonareo hiafaran’izany rehetra izany?»
Raha misy olona manenji-drivotra, ka milazalaza lainga manao hoe: «Haminany divay aman-dabiera ho anao aho!» dia izay no ho mpaminanin’ity firenena ity.
Noderain’ny tompony ilay mpitandrina tsy marina satria nampiseho hafetsena, fa hendrihendry kokoa ny zanak’izao tontolo izao amin’izy samy izy, noho ny zanaky ny fahazavana.»
Nomeko azy ny teninao, ka halan’izao tontolo izao izy ireo, satria tahaka ny tsy maha-olon’izao tontolo izao Ahy no tsy maha-olon’izao tontolo izao azy koa.
Tahaka ny tsy maha-olon’izao tontolo izao Ahy no tsy maha-olon’izao tontolo izao azy ireo koa.
Izay avy any ambony no ambonin’ny olona rehetra; fa izay avy amin’ny tany dia tany, ka ny etỳ an-tany ihany no lazainy. Izay avy any an-danitra no ambonin’ny olona rehetra;
Fa hoy Izy tamin’izy ireo: «Ianareo avy etỳ an-tany, Izaho avy any an-danitra; ianareo olon’izao tontolo izao; Izaho tsy mba olon’izao tontolo izao.
Fa ho avy ny andro tsy hahazakàn’ny olona ny fampianarana marina intsony; fa mpampianatra araka ny filàny no hovoriny ho azy sy hahalian-tsofina azy;
ka nazera ity Dragona lehibe, dia ilay menarana antitra atao hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; ny tenany moa nazera tamin’ny tany, ny anjeliny koa nazera niaraka aminy.