Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Jaona 4:11 - Baiboly Katolika

Ry malala, raha toy izany no nitiavan’Andriamanitra antsika, dia tokony mba hifankatia koa isika.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ry malala, raha izany no nitiavan’Andriamanitra antsika dia mba tokony hifankatia kosa isika.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ry hava-malala, raha toy izany no nitiavan’Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia koa isika.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ry hava-malala, raha toy izany no nitiavan’Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia koa isika.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ry malala, raha izany no nitiavan’Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ry malala, raha izany no nitiavan'Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ry malala, raha izany no nitiavan’Andriamanitra antsika dia mba tokony hifankatia kosa isika.

Jereo ny toko



1Jaona 4:11
14 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ilay mpampiana-dalàna: «Ilay niantra azy» «Mandehana àry, hoy i Jesoa taminy, ka manaova toy izany koa.»


Didy vaovao no omeko anareo, dia izao: Mifankatiava ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo.


Esory aminareo rehefa mety ho lolom-po, fahatezerana, fahavinirana, fitabatabana, fitenenan-dratsy, ary hasomparana.


Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin’ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa.


Ry malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy efa ela, izay efa azonareo hatramin’ny voalohany; ary izany didy ela izany dia ilay teny efa renareo teo.


Satria araka ny teny azo sy renareo hatramin’ny voalohany dia tsy maintsy mifankatia isika,


Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika an’i Jesoa Kristy Zanany, sy ny hifankatiavantsika, araka ny didy nomeny antsika.


Ry malala, aoka hifankatia isika, fa ny fitiavana dia avy amin’Andriamanitra, ary izay rehetra tia dia avy amin’Andriamanitra, sy mahalala an’Andriamanitra.


Ary ankehitriny mihanta aminao aho, Tompokovavy, - tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ny efa azontsika hatramin’ny voalohany ihany - aoka hifankatia isika.