Koa isika rehetra dia tsy mba voasaron-tava, fa mibanjina ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra; sady ovan’Izy Tompo izay fanahy, handray izany endrika izany sy hitombo fahazavana lalandava.
1Jaona 3:6 - Baiboly Katolika Izay rehetra mitoetra ao aminy, dia tsy mba manota; ary izay manota dia tsy mba nahita Azy na nahalala Azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izay rehetra mitoetra ao Aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy. DIEM PROTESTANTA Izay rehetra miray amin’i Kristy dia tsy manota; izay rehetra manota, dia tsy nahita Azy na nahalala Azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izay rehetra miray amin’i Kristy dia tsy manota; izay rehetra manota, dia tsy nahita Azy na nahalala Azy. Baiboly Protestanta Malagasy Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy. Malagasy Bible Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy. La Bible en Malgache Izay rehetra mitoetra ao Aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy. |
Koa isika rehetra dia tsy mba voasaron-tava, fa mibanjina ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra; sady ovan’Izy Tompo izay fanahy, handray izany endrika izany sy hitombo fahazavana lalandava.
Satria, Andriamanitra izay nandidy hoe: «Aoka ny maizina no hiposahan’ny mazava» no nanazava ny fonay, mba hampahazavanay ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra, izay mitaratra amin’ny tavan’i Kristy.
Ary ankehitriny, anaka, mitoera ao aminy, mba hanan-toky isika rehefa miseho izy, fa tsy horoahina hiala aminy amin-kenatra amin’ny andro hahatongavany.
Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia raha mitandrina ny didiny isika.
Izay milaza ho mahalala Azy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary tsy ao anatiny ny marina.
Ry malala, zanak’Andriamanitra isika ankehitriny, nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika; fa amin’ny andro hampisehoana izany, dia fantatsika fa hanahaka Azy isika, satria hahita Azy araka ny tena toetrany.
Izay rehetra naterak’Andriamanitra dia tsy manota, satria mitoetra ao aminy ny voa nafafin’Andriamanitra, sady nateraka avy amin’Andriamanitra izy ka tsy mahazo manota.
Fantatsika fa izay rehetra nateraka avy amin’Andriamanitra dia tsy manota; fa miaro tena izay nateraka avy amin’Andriamanitra, ka tsy mikasika azy ilay Ratsy.
Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin’Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy, tsy mba nahita an’Andriamanitra.