Ireo no lohan’ny fianakavian’ny Levita, filohany araka ny taranany, ary nonina tao Jerosalema.
1Tantara 9:33 - Baiboly Katolika Ireo no mpihira, lohan’ny fianakavian’ny Levita nitoetra tamin’ny efitrano, afaka tamin’ny raharaha hafa, satria tsy maintsy eo amin’ny raharahany andro aman’alina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ireo ihany koa no mpihira, ireo lohan’ny fianakaviana amin’ny levita ireo. Mitoetra any amin’ny efitrano ao amin’ny tempoly izy ireo ary tsy misahana raharaha hafa; fa tsy maintsy ho amin’izany raharaha izany andro aman’alina. DIEM PROTESTANTA Ny mpiventy hira kosa, izay loham-pianakaviana teo amin’ny levita, dia nitoetra tao amin’ny efitrano voatokana ho azy; ary tsy nanana andraikitra hafa ireo satria nanao ny raharahany andro aman’alina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny mpiventy hira kosa, izay loham-pianakaviana teo amin’ny levita, dia nitoetra tao amin’ny efitrano voatokana ho azy; ary tsy nanana andraikitra hafa ireo satria nanao ny raharahany andro aman’alina. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ireo ihany koa no mpihira, lohan’ny fianakaviana amin’ny Levita, izay mitoetra tsy manan-draharaha hafa ao amin’ireo efi-trano; fa tsy maintsy ho amin’izany raharaha izany andro aman-alina izy. Malagasy Bible Ary ireo ihany koa no mpihira, lohan'ny fianakaviana amin'ny Levita, izay mitoetra tsy manan-draharaha hafa ao amin'ireo efi-trano; fa tsy maintsy ho amin'izany raharaha izany andro aman'alina izy. La Bible en Malgache Ireo ihany koa no mpihira, ireo lohan’ny fianakaviana amin’ny levita ireo. Mitoetra any amin’ny efitrano ao amin’ny tempoly izy ireo ary tsy misahana raharaha hafa; fa tsy maintsy ho amin’izany raharaha izany andro aman’alina. |
Ireo no lohan’ny fianakavian’ny Levita, filohany araka ny taranany, ary nonina tao Jerosalema.
Ampahafantarinay anareo koa, fa tsy misy angalana hetra, na haba na sara, ny mpisorona, ny Levita, ny mpihira, ny mpiandry varavarana, ny Natineanina, mbamin’izay rehetra manompo amin’io tranon’Andriamanitra io.
i Mataniasa zanak’i Mikà zanak’i Zebedey zanak’i Asafa, ilay lehibe mpiventy ny hira fiderana amin’ny fivavahana; i Bekbekiasa ilay nanarakaraka teo amin’ireo rahalahiny, sy i Abdà zanak’i Samoà zanak’i Galala zanak’i Isditòna.
Tamin’ny andron’i Zôrôbabela sy i Nehemia, i Israely rehetra dia nanome isan’andro ny anjaran’ny mpihira sy ny mpiandry varavarana. Nomena ny Levita ny fanatitra masina, dia ny Levita kosa indray no nanome ny anjaran’ny taranak’i Aarôna.
Mandehana ianao mankany amin’ny fianakavian’i Rekabita, ka mitenena aminy. Ento ho ao an-tranon’i Iaveh amin’ny efitrano anankiray izy ireo, ka tolory divay hosotroiny.