1Tantara 7:27 - Baiboly Katolika i Nona zanany, i Jôsoe zanany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 i Nona no zanakalahin’i Elisama; i Josoa no zanakalahin’i Nona. DIEM PROTESTANTA i Nona zanakalahin’i Elisamà, i Josoa zanakalahin’i Nona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara i Nona zanakalahin’i Elisamà, i Josoa zanakalahin’i Nona. Baiboly Protestanta Malagasy Nona no zanakalahin’i Elisama, Josoa no zanakalahin’i Nona. Malagasy Bible Nona no zanakalahin'i Elisama, Josoa no zanakalahin'i Nona. La Bible en Malgache i Nona no zanakalahin’i Elisama; i Josoa no zanakalahin’i Nona. |
Dia niainga i Môizy nomban’i Jôsoe mpanompony, nandroso nankeo an-tendrombohitr’Andriamanitra.
Nony nandre ny tabataban’ny vahoaka nihorakoraka i Jôsoe dia nilaza tamin’i Môizy hoe: «Finanananàna toy ny any an’ady izany any amin’ny toby izany.»
Niteny niaraka tamin’izay i Jôsoe, zanak’i Nona, mpanompon’i Môizy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe: «Ry Môizy tompoko ô, rarao izy roa lahy.»
Ireo no anaran’ny lehilahy nirahin’i Môizy hisafo ny tany. I Ozea, zanak’i Nona dia nomen’i Môizy anarana hoe Jôsoe.
Nandriatra ny fitafiany i Jôsoe, zanak’i Nona, sy i Kaleba, zanak’i Jefôna, anisan’ireo nisafo ny tany,
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: Alao i Jôsoe zanak’i Nona, lehilahy itoeran’ny Fanahy ka ametraho tanana izy.
Io tranolay io, tamin’ny andron’i Jôsoe, dia noraisin’ny razantsika ka nentiny niditra tany amin’ny tanin’ireo firenena izay noroahin’Andriamanitra teo anoloan’izy ireo, ary naharitra hatramin’ny andron’i Davida.
Ary i Iaveh nanome didy an’i Jôsoe, zanak’i Nona, ka nanao taminy hoe: «Mahereza sy matanjaha tsara, fa ianao no hampiditra ny zanak’i Israely any amin’ny tany nampanantenaiko azy tamim-pianianana, ary Izaho homba anao».
Fa raha tahiny efa nomen’i Jôsoe izany fialan-tsasatra izany, dia tsy ho nilaza andro hafa intsony i Davida tatỳ aorian’izany;