Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 6:55 - Baiboly Katolika

ary ny avy amin’ny antsasa-pokon’i Manase, i Anera, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, i Balaama, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, ho an’ny fianakavian’ny taranak’i Kata sisa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ary ny avy tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase dia i Amera sy ny tany manodidina azy; i Bileama sy ny tany manodidina azy. Izany dia ho an’ny fianakavian’ny taranak’i Kehata sisa.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

ny tanàna avy tamin’ny antsasa-pokon’i Manase kosa, izany hoe i Tahanàka sy i Jiblehama mbamin’ny kijàna samy manodidina azy, dia nomena an’ireo fianakaviana sisa anisan’ny taranak’i Kehata.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ny tanàna avy tamin’ny antsasa-pokon’i Manase kosa, izany hoe i Tahanàka sy i Jiblehama mbamin’ny kijàna samy manodidina azy, dia nomena an’ireo fianakaviana sisa anisan’ny taranak’i Kehata.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary ny avy tamin’ny antsasaky ny firenen’i Manase dia Amera sy ny tany manodidina azy ary Bileama sy ny tany manodidina azy, dia ho an’ny fokon’ny taranak’i Kehata sisa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary ny avy tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase dia Amera sy ny tany manodidina azy ary Bileama sy ny tany manodidina azy, dia ho an'ny fokon'ny taranak'i Kehata sisa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ary ny avy tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase dia i Amera sy ny tany manodidina azy; i Bileama sy ny tany manodidina azy. Izany dia ho an’ny fianakavian’ny taranak’i Kehata sisa.

Jereo ny toko



1Tantara 6:55
4 Rohy Ifampitohizana  

Dia nitso-drano an’i Kaleba, zanak’i Jefone, i Jôsoe, ary nomeny ho lovany i Hebrôna.


Araka ny didin’i Iaveh tamin’i Jôsoe, nomena anjara teo afovoan’ny taranak’i Jodà i Kaleba zanak’i Jefone, dia ny tanànan’i Arbe, rain’i Enaka, dia i Hebrôna izany.


Nomena an’i Kaleba i Hebrôna araka ny voalazan’i Môizy, ka noroahiny hiala tao ny zanak’i Enàka telo lahy.