Dia hoy i Okoziasa zanak’i Akaba tamin’i Jôsafata: «Avelao ny mpanompoko hiaraka amin’ny mpanomponao eny an-tsambo.» Nefa tsy nety i Jôsafata.
1Tantara 3:11 - Baiboly Katolika i Jôrama zanany, i Okoziasa zanany, i Jôasa zanany, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 i Jehorama no zanakalahin’i Josafata; i Ahazia no zanakalahin’i Jehorama; i Joasy no zanakalahin’i Ahazia, DIEM PROTESTANTA i Jôrama zanakalahin’i Jôsafata, i Ahazià zanakalahin’i Jôrama, i Jôasy zanakalahin’i Ahazià, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara i Jôrama zanakalahin’i Jôsafata, i Ahazià zanakalahin’i Jôrama, i Jôasy zanakalahin’i Ahazià, Baiboly Protestanta Malagasy Jehorama no zanakalahin’i Josafata, Ahazia no zanakalahin’i Jehorama, Joasy no zanakalahin’i Ahazia, Malagasy Bible Jehorama no zanakalahin'i Josafata, Ahazia no zanakalahin'i Jehorama. Joasy no zanakalahin'i Ahazia, La Bible en Malgache i Jehorama no zanakalahin’i Josafata; i Ahazia no zanakalahin’i Jehorama; i Joasy no zanakalahin’i Ahazia, |
Dia hoy i Okoziasa zanak’i Akaba tamin’i Jôsafata: «Avelao ny mpanompoko hiaraka amin’ny mpanomponao eny an-tsambo.» Nefa tsy nety i Jôsafata.
Ary nody mandry any amin’ny razany i Jôsafata, ka nalevina ao amin’ny razany, ao an-tanànan’i Davida rainy, dia i Jôrama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
Fa i Jôsabà zanaka vavin’i Jôrama mpanjaka, sy anabavin’i Okoziasa naka an’i Jôasa zanak’i Okoziasa kosa, sy nanatsoaka azy teo amin’ny zanak’andriana, izay novonoin’ny olona, ary nametraka azy mbamin’ny mpitaiza azy, tao an’efitrano fitoeram-parafara, ka voaafina tsy hitan’ny mason’i Atalia, ka tsy novonoina izy.
Tamin’ny taona fahadimin’ny nanjakan’i Jôrama zanak’i Akaba mpanjakan’i Israely, raha mbola mpanjakan’i Jodà i Jôsafata, no vao nanjakan’i Jôrama zanak’i Jôsafata mpanjakan’i Jodà.
Ary nody mandry any amin’ny razany i Jôrama, ka nalevina tao amin’ny razany, ao an-tanànan’i Davida; dia i Okoziasa zanany no nanjaka nandimby azy.
Tamin’ny taona faha-12 nanjakan’i Jôrama, zanak’i Akaba, mpanjakan’i Israely, no vao nanjakan’i Okoziasa zanak’i Jôrama, mpanjakan’i Jodà.
Nody mandry any amin’ny razany i Jôsafata, dia nalevina tao amin’ny razany, ao an-tanànan’i Davida, ary i Jôrama zanany no nanjaka nandimby azy.
Ka niakatra tany Jodà ireo dia niely tany, namabo ny harena rehetra tao an-tranon’ny mpanjaka, hatramin’ireo zanany, mbamin’ireo vadiny, hany ka tsy nisy tafajanona ho azy intsony ny zanany, afa-tsy i Jôakaza ilay zandriny indrindra tamin’ireo zanany.
Dia niverina tao Jezrahela i Jôrama hotsaboina amin’ny ratra nahavoazan’ny Sirianina azy tao Ramà, fony izy niady tamin’i Hazaela mpanjakan’i Siria. Ary i Azariasa zanak’i Jôrama mpanjakan’i Jodà, nidina tany Jezrahela hamangy an’i Jôrama zanak’i Akaba fa narary izy.
Efa fito taona i Jôasy fony vao nanjaka, ary efapolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Sebià avy any Bersabea.