1Tantara 28:21 - Baiboly Katolika Indreo homba anao ny antokon’ny mpisorona sy ny Levita ho amin’ny fanompoana rehetra ao an-tranon’Andriamanitra; homba anao, hahavitana izao karazan’asa rehetra izao, ireo olo-mazoto sy mahay, hanaovana ny taozavatra rehetra; ary koa ny lehibe sy ny vahoaka vonon-kanatanteraka ny didinao rehetra.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary indreo, ny antokon’ny mpisorona sy ny levita dia hanao ny fanompoana rehetra ao amin’ny tranon’Andriamanitra; ao aminao koa dia misy hanampy amin’ny asa samihafa rehetra, dia ny olon-kendry izay manolo-tena mba hahavita ny fanompoana rehetra sy ny mpifehy ary ny vahoaka rehetra izay hankatò ny didinao. DIEM PROTESTANTA Indreo ny antoko-mpisorona sy levita, hanao ny fanompoana rehetra ao an-tempolin’Andriamanitra; mba hahavitana ny asa manontolo, dia miaraka aminao koa ireo olona feno risimpo sady kinga amin’ny taozavatra isan-karazany; ary ny lehibe mbamin’ny vahoaka rehetra dia hankatò ny baikonao an-tsakany sy an-davany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Indreo ny antoko-mpisorona sy levita, hanao ny fanompoana rehetra ao an-tempolin’Andriamanitra; mba hahavitana ny asa manontolo, dia miaraka aminao koa ireo olona feno risimpo sady kinga amin’ny taozavatra isan-karazany; ary ny lehibe mbamin’ny vahoaka rehetra dia hankatò ny baikonao an-tsakany sy an-davany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary indreo ny antokon’ny mpisorona sy ny Levita hanao ny fanompoana rehetra ao an-tranon’Andriamanitra; ary ao aminao hanampy amin’ny asa samy hafa rehetra ny olon-kendry izay manolo-tena mba hahavita ny fanompoana rehetra sy ny mpifehy ary ny vahoaka rehetra hankatò ny didinao. Malagasy Bible Ary indreo ny antokon'ny mpisorona sy ny Levita hanao ny fanompoana rehetra ao an-tranon'Andriamanitra; ary ao aminao hanampy amin'ny asa samy hafa rehetra ny olon-kendry izay manolo-tena mba hahavita ny fanompoana rehetra sy ny mpifehy ary ny vahoaka rehetra hankatò ny didinao. La Bible en Malgache Ary indreo, ny antokon’ny mpisorona sy ny levita dia hanao ny fanompoana rehetra ao amin’ny tranon’Andriamanitra; ao aminao koa dia misy hanampy amin’ny asa samihafa rehetra, dia ny olon-kendry izay manolo-tena mba hahavita ny fanompoana rehetra sy ny mpifehy ary ny vahoaka rehetra izay hankatò ny didinao. |
dia i Selemita mbamin’ireo rahalahiny no tonian’ny rakitr’ireo zavatra masina rehetra, izay natokan’i Davida mpanjaka sy ny loham-pianakaviana, mbamin’ny tomponarivo sy tompon-jato, ary ny filohan’ny tafika.
ho an’ny antokon’ny mpisorona sy ny Levita, ho an’ny raharaha rehetra momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh.
Midodododo aminao ny vahoakanao amin’ny andro hamorianao ny tafikao, mitondra ny fanamiana masina: avy ao ampofoan’ny mazava atsinanana, dia mankao aminao ny ranonandon’ny mpiadinao tanora.
Efa nofenoiko fanahin’Andriamanitra izy, dia fahendrena amam-pahiratan-tsaina sy fahaizana momba ny taozavatra rehetra hamoronany asa vaovao;
Ny vehivavy nanam-pahaizana rehetra namoly tamin’ny tanany ka nitondra izay nataony, dia jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika.
Koa i Beseleela sy i Oôliaba ary ny olo-mahay rehetra, izay nomen’i Iaveh fahaizana amam-pahakingana hahay manao ny taozavatra rehetra momba ny fanompoana eo amin’ny fitoerana masina no hamita azy araka izay rehetra nodidian’i Iaveh hanaovana azy.
Dia nampanalain’i Môizy i Beseleela sy i Oôliaba ary ny olo-mahay rehetra, izay norotsahan’i Iaveh fahaizana ny fony, mbamin’izay rehetra notaomin’ny fony amin’izany asa izany mba hahavitany azy.
Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana; satria tsy misy fahefana tsy avy amin’Andriamanitra, fa voatendriny avokoa izay misy rehetra.
Ampahatsiarovy ny mpino fa adidin’izy ireo ny manaiky ny mpanapaka sy ny manam-pahefana, ka tsy maintsy manoa azy ireo izy sy vonon-kanao ny asa soa rehetra,