Eksodosy 35:25 - Baiboly Katolika25 Ny vehivavy nanam-pahaizana rehetra namoly tamin’ny tanany ka nitondra izay nataony, dia jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201125 Ny vehivavy rehetra nanan-talenta namoly tamin’ny tanany dia nitondra izay nofolesiny, dia ny kofehy manga, volomparasy, jaky ary ny lamba rongony fotsy madinika. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA25 Samy nitondra ny kiran-drongony madinika sy ny volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky izay efa nofolesin’ny tanany koa ireo vehivavy kinga. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara25 Samy nitondra ny kiran-drongony madinika sy ny volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky izay efa nofolesin’ny tanany koa ireo vehivavy kinga. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy25 Ary ny vehivavy rehetra izay hendry dia namoly tamin’ny tànany ka nitondra izay nofolesiny, dia ny manga sy volomparasy sy mena ary ny rongony fotsy madinika. Jereo ny tokoMalagasy Bible25 Ary ny vehivavy rehetra izay hendry dia namoly tamin'ny tànany ka nitondra izay nofolesiny, dia ny manga sy volomparasy sy mena ary ny rongony fotsy madinika. Jereo ny toko |