Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 28:13 - Baiboly Katolika

ho an’ny antokon’ny mpisorona sy ny Levita, ho an’ny raharaha rehetra momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

natolony azy koa ny ho an’ny antokon’ny mpisorona sy ny levita, ny ho an’ny fanompoana rehetra ao amin’ny tranon’NY TOMPO, ny ho an’ny fanaka rehetra hoenti-manompo ao amin’ny tranon’NY TOMPO,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nomeny azy ny amin’ny fitsinjarana ireo mpisorona sy levita ho antokony, ny amin’ny fanompoana rehetra ho fanao ao an-tranon’ny TOMPO ary ny amin’ny fanaka rehetra ho fampiasa ao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nomeny azy ny amin’ny fitsinjarana ireo mpisorona sy levita ho antokony, ny amin’ny fanompoana rehetra ho fanao ao an-tranon’ny TOMPO ary ny amin’ny fanaka rehetra ho fampiasa ao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

sy ho an’ny antokon’ny mpisorona sy ny Levita koa, ary ho an’ny fanompoana rehetra ao an-tranon’i Jehovah sy ho an’ny fanaka rehetra ho enti-manompo ao an-tranon’i Jehovah,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

sy ho an'ny antokon'ny mpisorona sy ny Levita koa, ary ho an'ny fanompoana rehetra ao an-tranon'i Jehovah sy ho an'ny fanaka rehetra ho enti-manompo ao an-tranon'i Jehovah,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

natolony azy koa ny ho an’ny antokon’ny mpisorona* sy ny levita, ny ho an’ny fanompoana rehetra ao amin’ny tranon’NY TOMPO, ny ho an’ny fanaka rehetra hoenti-manompo ao amin’ny tranon’NY TOMPO,

Jereo ny toko



1Tantara 28:13
9 Rohy Ifampitohizana  

Nozarain’i Davida ho antokony araka ny zanak’i Levỳ izy ireo dia: i Gersôna, i Kaata, i Merarỳ.


Ny mariky ny fanaka volamena, mbamin’ny lanjan’ny volamena hanaovana ny fanaka rehetra isan-tokom-panompoana; ny mariky ny fanaka volafotsy rehetra, mbamin’ny lanjany hanaovana ny fanaka rehetra isan-tokom-panompoana;


Indreo homba anao ny antokon’ny mpisorona sy ny Levita ho amin’ny fanompoana rehetra ao an-tranon’Andriamanitra; homba anao, hahavitana izao karazan’asa rehetra izao, ireo olo-mazoto sy mahay, hanaovana ny taozavatra rehetra; ary koa ny lehibe sy ny vahoaka vonon-kanatanteraka ny didinao rehetra.»


Ny sasany aminy, nitandrina ny fanaka, dia ny fanaka rehetra teo amin’ny fitoerana masina, mbamin’ny lafarina tsara indrindra, ny divay, ny diloilo, ny emboka, ary ny zava-manitra.


Tamin’ny andro fahefatra dia nolanjaina tao an-tranon’ny Andriamanitray ny volafotsy sy ny volamena mbamin’ny fanaka, ho eo an-tanan’i Merimota zanak’i Oria, mpisorona; teo aminy koa i Eleazara zanak’i Finea; ary teo amin’izy ireo koa, i Jôzabada zanak’i Josoe, sy i Nôadiasa zanak’i Benoì.