Nandidy ny lehibe rehetra amin’i Israely koa i Davida hanampy an’i Salômôna zanany, ka hoy izy:
1Tantara 28:1 - Baiboly Katolika Novorin’i Davida tany Jerosalema avokoa ny lehibe amin’i Israely, dia ny lohan’ny foko, ny lehiben’ny antokony manompo ny mpanjaka, ny tomponarivo, ny tompon-jato, ny tonian’ny fananana sy ny biby fiompin’ny mpanjaka, sy ny zanany mbamin’ny mpitandrina sy ny olo-mahery, ny miaramila mahery rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Novorin’i Davida tany Jerosalema ny lehibe rehetra tamin’ny Israely, dia ny lohan’ny foko sy ny lehiben’ny antokony izay nanompo ny andriamanjaka, ny mpifehy arivo, ny mpifehy zato, ny mpitandrina ny harena mbamin’ny biby fiompy rehetra an’ny mpanjaka sy ny zanany mbamin’ny tandapa sy ny lehilahy mahery, ary ny olona manankaja rehetra. DIEM PROTESTANTA Novorin’i Davida tany Jerosalema ny lehibe rehetra tamin’ny Israely: filohan’ireo foko, lehiben’ny andian-tafika manompo ny mpanjaka, komandin-tafika mpifehy arivo na mpifehy zato, mpiandraikitra ny fananana sy biby fiompy rehetra an’ny mpanjaka sy an-janany, tandapa, lehilahy mahery, izany hoe ny manampahefana rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Novorin’i Davida tany Jerosalema ny lehibe rehetra tamin’ny Israely: filohan’ireo foko, lehiben’ny andian-tafika manompo ny mpanjaka, komandin-tafika mpifehy arivo na mpifehy zato, mpiandraikitra ny fananana sy biby fiompy rehetra an’ny mpanjaka sy an-janany, tandapa, lehilahy mahery, izany hoe ny manampahefana rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy ARY novorin’i Davida tany Jerosalema ny lehibe rehetra tamin’ny Isiraely, dia ny lohan’ny firenena sy ny komandin’ny antokony izay nanompo ny andriamanjaka, ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato sy ny mpitandrina ny harena mbamin’ny fananana rehetra an’ny mpanjaka sy ny zanany mbamin’ny tandapa sy ny lehilahy mahery, dia ny lehibe rehetra. Malagasy Bible Ary novorin'i Davida tany Jerosalema ny lehibe rehetra tamin'ny Isiraely, dia ny lohan'ny firenena sy ny komandin'ny antokony Izay nanompo ny andriamanjaka, ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato sy ny mpitandrina ny harena mbanin'ny fananana rehetra an'ny mpanjaka sy ny zanany mbamin'ny tandapa sy ny lehilahy mahery, dia ny lehibe rehetra. La Bible en Malgache Novorin’i Davida tany Jerosalema ny lehibe rehetra tamin’ny Israely, dia ny lohan’ny foko sy ny lehiben’ny antokony izay nanompo ny andriamanjaka, ny mpifehy arivo, ny mpifehy zato, ny mpitandrina ny harena mbamin’ny biby fiompy rehetra an’ny mpanjaka sy ny zanany mbamin’ny tandapa sy ny lehilahy mahery, ary ny olona manankaja rehetra. |
Nandidy ny lehibe rehetra amin’i Israely koa i Davida hanampy an’i Salômôna zanany, ka hoy izy:
Ary hoy i Davida mpanjaka tamin’ny fiangonana rehetra: «I Salômôna zanako, ilay hany nofidin’Andriamanitra, dia mbola tanora sy osa, ary ny asa hatao dia lehibe, fa tsy lapa ho an’olombelona ity, fa ho an’i Iaveh Andriamanitra.
Dia nanolotra fanatitra an-tsitrapo ny loham-pianakaviana, ny loham-pokon’i Israely, ny tomponarivo, ny tompon-jato ary ny tonian-draharahan’ny mpanjaka.
Ary nisy didy nomen’i Salômôna ho an’i Israely rehetra, dia ny tomponarivo, ny tompon-jato, ny mpitsara, ny filohany rehetra teo amin’i Israely ary ny loham-pianakaviana.
Koa nantsoin’i Jôsoe avokoa i Israely rehetra, ny loholony, ny lehibeny, ny mpitsara azy, ary ny manamboninahiny, ka hoy izy taminy: «Efa zokiolona sy mandroso fahanterana aho.
Novorin’i Jôsoe, tao Sikema, ny fokon’i Israely rehetra; nantsoiny avokoa ny loholon’i Israely, ny lehibeny, ny mpitsarany ary ny manamboninahiny; ka niseho teo anatrehan’i Iaveh izy ireo: