Dia nentiny nivoaka izy ka nilazany hoe: «Atopazo hijery ny lanitra ny masonao ka isao ny kintana raha mahisa azy ianao.» Ary hoy izy taminy: «Ho tahaka izay ny taranakao.»
1Tantara 27:23 - Baiboly Katolika Tsy nisain’i Davida ny hatramin’ny roapolo taona no midina, satria efa nolazain’i Iaveh fa hampitombo an’i Israely ho tahaka ny kintana amin’ny lanitra Izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsy nanisa ny hatramin’ny roapolo taona no ho midina anefa i Davida satria efa nilaza NY TOMPO fa hampitombo ny Israely ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra. DIEM PROTESTANTA Tsy nanisa ny hatramin’ny roapolo taona no ho midina i Davida, satria ny TOMPO efa nilaza hampitombo ny Israelita ho tahaka ny kintana eny amin’ny habakabaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy nanisa ny hatramin’ny roapolo taona no ho midina i Davida, satria ny TOMPO efa nilaza hampitombo ny Israelita ho tahaka ny kintana eny amin’ny habakabaka. Baiboly Protestanta Malagasy Nefa tsy nanisa ny hatramin’ny roa-polo taona no ho midina Davida; fa Jehovah efa nilaza fa hampitombo ny Isiraely ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra Izy. Malagasy Bible Nefa tsy nanisa ny hatramin'ny roa-polo taona no ho midina Davida; fa Jehovah efa nilaza fa hampitombo ny Isiraely ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra Izy. La Bible en Malgache Tsy nanisa ny hatramin’ny roapolo taona no ho midina anefa i Davida satria efa nilaza NY TOMPO fa hampitombo ny Israely ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra. |
Dia nentiny nivoaka izy ka nilazany hoe: «Atopazo hijery ny lanitra ny masonao ka isao ny kintana raha mahisa azy ianao.» Ary hoy izy taminy: «Ho tahaka izay ny taranakao.»
dia hanisy soa anao Aho, hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina, ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony.
Hampitomboiko tahaka ny kintana eny an-danitra ny taranakao; homeko ny taranakao ireto tany rehetra ireto; ary amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany,
Nirehitra tamin’i Israely indray ny fahatezeran’i Iaveh, ka namporisihiny hamely azy ireo i Davida nataony hoe: «Mandehana isao i Israely sy i Jodà.»
dia nanaika ny fiangonana rehetra izy, ho amin’ny andro voalohan’ny volana faharoa, ka ny hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra rehetra, dia samy nosoratana araka ny fianakaviany sy ny fokony, ary noisaina ny anarany isam-batan’olona.
Koa dia taranaka maro toy ny kintana eny an-danitra, sy tsy hita isa hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina no avy amin’ny olona anankiray izay efa toy ny maty.