Ary ny avy any an-dafin’i Jordany, amin’ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon’i Manase, 120.000 lahy, hary fitaovana enti-miady tsara mihitsy.
1Tantara 26:32 - Baiboly Katolika mbamin’ny rahalahiny, lehilahy maherin’ny 1.700, samy loham-pianakaviana. Ary notendren’i Davida mpanjaka izy ireo hifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon’i Manase, amin’ny raharahan’Andriamanitra rehetra sy ny raharahan’ny mpanjaka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny rahalahin’i Jeria dia fitonjato sy roa arivo, samy mpiady mahery, loham-pianakaviany avy. Ary nanendry azy ireo i Davida ho mpifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, ny amin’ny raharaha rehetra mikasika an’Andriamanitra sy ny mpanjaka. DIEM PROTESTANTA I Jerià mbamin’ny havany dia nisy 2 700 lahy, samy olom-banona loham-pianakaviany avy, ka notendren’i Davida mpanjaka hifehy ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasam-pokon’i Manase amin’ny raharaha rehetra momba an’Andriamanitra sy momba ny mpanjaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Jerià mbamin’ny havany dia nisy 2 700 lahy, samy olom-banona loham-pianakaviany avy, ka notendren’i Davida mpanjaka hifehy ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasam-pokon’i Manase amin’ny raharaha rehetra momba an’Andriamanitra sy momba ny mpanjaka. Baiboly Protestanta Malagasy sy ny rahalahiny fiton-jato amby roa arivo, samy lehilahy mahay, lohan’ny fianakaviany avy. Ary Davida nanendry ireo ho mpifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’i Manase, ny amin’ny raharahan’Andriamanitra sy ny mpanjaka. Malagasy Bible sy ny rahalahiny fiton-jato amby roa arivo, samy lehilahy mahay, lohan'ny fianakaviany avy. Ary Davida nanendry ireo ho mpifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky firenen'i Manase, ny amin'ny raharahan'Andriamanitra sy ny mpanjaka. La Bible en Malgache Ny rahalahin’i Jeria dia fitonjato sy roa arivo, samy mpiady mahery, loham-pianakaviany avy. Ary nanendry azy ireo i Davida ho mpifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, ny amin’ny raharaha rehetra mikasika an’Andriamanitra sy ny mpanjaka. |
Ary ny avy any an-dafin’i Jordany, amin’ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon’i Manase, 120.000 lahy, hary fitaovana enti-miady tsara mihitsy.
Ka hoy izy tamin’ireo: «Ianareo, loha fianakavian’ny Levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, ka ampiakaro ny fiaran’i Iaveh Andriamanitr’i Israely ho eo amin’ny fitoerana nomaniko ho azy.
Ireo no zanaka lahin’i Levì araka ny fianakaviany, ny loham-pianakaviana, araka ny nanisana azy, voaisa isan’olona, voatonona anarana, izay nanao fanompoana tao an-tranon’i Iaveh hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra.
Ny zanak’i Israely, araka ny isany avy, loham-pianakaviana, tomponarivo, tompon-jato, manamboninahitra amin’ny fanompoana ny mpanjaka, amin’ny zavatra rehetra momba ny isan-tokony, na ny tonga na ny miainga, isam-bolana, mandritra ny volana rehetra amin’ny taona, 24.000 no isan’ny antokony iray, - dia ireto:
Indro i Amariasa mpisorona lehibe, ho filohanareo amin’ny raharahan’i Iaveh rehetra; ary i Zabadiasa zanak’i Ismaely mpanapaka ny taranak’i Jodà, amin’ny raharahan’ny mpanjaka rehetra; ary ny Levita koa dia ho eo anatrehanareo ho manamboninahitra. Matokia, ataovy ny asa, ary homba anareo anie i Iaveh.»
Ary izao no teny nataon’i Jôsoe, tamin’ny Robenita sy ny Gadita, ary ny antsasaky ny fokon’i Manase: