naman’ireo ny rahalahiny, amin’ny ambaratonga faharoa: i Zakaria, i Bena, i Jaziela, i Semiramôta, i Jahiela, i Anì, i Eliaba, i Banaiasa, i Maasiasa, i Matatiasa, i Elifalò, i Maseniasa, i Obededôma, ary i Jehiela, mpiandry varavarana.
1Tantara 25:3 - Baiboly Katolika Amin’i Iditona, ny zanaka lahin’i Iditona: i Godohiasa, i Sorỳ, i Jereiasa, i Hasabiasa, i Matatiasa, ary i Semeià, enina izy araka ny didin’i Iditona rainy, izay naminany tamin’ny lokanga hidera sy hankalaza an’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’i Jedotona, ny zanany dia i Gedalia, i Zery, i Jesaia, i Hasabia ary i Matitia; enin-dahy ireo ka notarihin’i Jedotona rainy, izay naminany tamin’ny lokanga hidera sy hisaotra NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Ny an’ny zanakalahin’i Jedotòna dia ry i Gedalià sy i Tserỳ, i Jesahià sy i Simehỳ ary i Hasabià sy i Matitià. Izy enin-dahy ireo dia notarihin’i Jedotòna rainy izay nampita an-kira ny hafatr’Andriamanitra, ombàn’ny lokanga, mba hankalazana sy hiderana ny TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny an’ny zanakalahin’i Jedotòna dia ry i Gedalià sy i Tserỳ, i Jesahià sy i Simehỳ ary i Hasabià sy i Matitià. Izy enin-dahy ireo dia notarihin’i Jedotòna rainy izay nampita an-kira ny hafatr’Andriamanitra, ombàn’ny lokanga, mba hankalazana sy hiderana ny TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy Tamin’i Jedotona, ny zanany dia Gedalia sy Zery sy Jesaia sy Hasabia ary Matitia, enin-dahy ireo ka nofehezin’i Jedotona rainy, izay naminany tamin’ny lokanga hidera sy hisaotra an’i Jehovah. Malagasy Bible Tamin'i Jedotona, ny zanany dia Gedalia sy Zery sy Jesaia sy Hasabia ary Matitia, enin-dahy ireo ka nofehezin'i Jedotona rainy, izay naminany tamin'ny lokanga hidera sy hisaotra an'i Jehovah. La Bible en Malgache Tamin’i Jedotona, ny zanany dia i Gedalia, i Zery, i Jesaia, i Hasabia ary i Matitia; enin-dahy ireo ka notarihin’i Jedotona rainy, izay naminany tamin’ny lokanga hidera sy hisaotra NY TOMPO. |
naman’ireo ny rahalahiny, amin’ny ambaratonga faharoa: i Zakaria, i Bena, i Jaziela, i Semiramôta, i Jahiela, i Anì, i Eliaba, i Banaiasa, i Maasiasa, i Matatiasa, i Elifalò, i Maseniasa, i Obededôma, ary i Jehiela, mpiandry varavarana.
I Matatiasa, i Elifalò, i Maseniasa, i Obededôma, i Jehiela ary i Ozazio, nanana harpa amin’ny «octave», hitari-kira.
Amin’ny zanaka lahin’i Asafa: i Zakora, i Josefa, i Natanià ary i Asarelà, ireo no zanaka lahin’i Asafa, tarik’i Asafa, naminany araka ny didy avy amin’ny mpanjaka.
Amin’i Hemàna, ny zanaka lahin’i Hemàna: i Boksiao, i Mataniaò, i Ozilea, i Soboela, i Jerimota, i Hanaiasa, i Hananỳ, i Eliata, i Gedeltỳ, i Rômentiezera, i Jesbakasà, i Melotì, i Otira, ary i Mahaziôta.
i Obadià zanak’i Semeià zanak’i Galala zanak’Iditona; i Barakià zanak’i Asà zanak’i Elkanà, izay nonina tao an-tanànan’ny Netôfatianina.
tamin’ny taranak’i Hemàna: i Jahiela sy i Semeià; ary tamin’ny taranak’i Iditona i Semeiàsa sy i Oziela.
dia ho re indray ny feo fifaliana amam-peo firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra aman-kiran’ny ampakarina, ny feon’ireo manao hoe: «Miderà an’i Iavehn’ny tafika, fa tsara i Iaveh, ary maharitra mandrakizay ny famindram-pony»; ny feon’ireo tonga hanatitra sorona fisaorana ao an-tranon’i Iaveh. Fa hampodiko indray ireo babo avy amin’ity tany ity, mba ho tahaka ny tamin’ny voalohany indray izy ireo.
Manaraka izany ho tonga ao Gabaàn’Andriamanitra ianao, izay misy miaramila Filistinina mpiambina. Rehefa miditra ao an-tanàna, hifanena amin’ny mpaminany maro, andiany iray, midina avy any amin’ny fitoerana avo, ialohan’ny lokanga, ampongatapaka, sodina, valiha, sady maminany.