Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 24:30 - Baiboly Katolika

Ireo no taranak’i Levỳ, araka ny fianakaviany avy. Izy ireo koa toraka ireo taranak’i Aarôna rahalahiny, dia nanao ny filokàna teo anatrehan’i Davida mpanjaka sy i Sadôka, sy i Akimeleka, mbamin’ireo loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny Levita, dia natao mitovy amin’ny zokiny ela indrindra, ny zandriny vao haingana indrindra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny zanakalahin’i Mosy dia i Maly sy i Edera ary i Jerimota. Ireo no taranaky ny levita araka ny fianakaviany avy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny zanakalahin’i Mosỳ kosa dia i Mahilỳ sy i Hedera ary i Jerimôta. Ireo no taranaky ny levita araka ny fianakaviany avy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny zanakalahin’i Mosỳ kosa dia i Mahilỳ sy i Hedera ary i Jerimôta. Ireo no taranaky ny levita araka ny fianakaviany avy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny zanakalahin’i Mosy dia Maly sy Edera ary Jerimota. Ireo no taranaky ny Levita araka ny fianakaviany avy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny zanakalahin'i Mosy dia Maly sy Edera ary Jerimota. Ireo no taranaky ny Levita araka ny fianakaviany avy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny zanakalahin’i Mosy dia i Maly sy i Edera ary i Jerimota. Ireo no taranaky ny levita* araka ny fianakaviany avy.

Jereo ny toko



1Tantara 24:30
5 Rohy Ifampitohizana  

Zanaka lahin’i Mosì: i Moholì, i Edera ary i Jerimota, telo lahy izy.


Zanaka lahin’i Mosỳ: i Moholỳ, i Edera ary i Jerimota.


Ny taranak’i Gersôma, araka ny fianakaviany, dia nahazo tanàna 13, avy amin’ny fokon’i Isakara sy ny fokon’i Asera, ary ny fokon’i Neftalì, sy ny fokon’i Manase tany Basàna.


Zanakalahin’i Merarỳ: i Moholì sy i Mosỳ. Ireo no fianakavian’i Levỳ mbamin’ny taranany avy.