Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 23:30 - Baiboly Katolika

Anjarany ny tonga miseho isa-marain-tsy hariva hankalaza sy hidera an’i Iaveh,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ny hitsangana isa-maraina hisaotra sy hidera NY TOMPO, ary toy izany koa amin’ny hariva,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Adidin’ny levita ny mihoby sy midera ny TOMPO isa-marain-tsy hariva

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Adidin’ny levita ny mihoby sy midera ny TOMPO isa-marain-tsy hariva

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary ny hitsangana isa-maraina hisaotra sy hidera an’i Jehovah, ary toy izany koa amin’ny hariva,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary ny hitsangana isa-maraina hisaotra sy hidera an'i Jehovah, ary toy izany koa amin'ny hariva,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ny hitsangana isa-maraina hisaotra sy hidera NY TOMPO, ary toy izany koa amin’ny hariva,

Jereo ny toko



1Tantara 23:30
19 Rohy Ifampitohizana  

ny amin’ny mofo alahatra, sy lafarina tsara indrindra hatao fanatitra, ny mofo manify tsy misy lalivay, ny endasina amin’ny lapoaly sy ny zavatra voaharo, ny zavatra fandanja amam-pamàtra rehetra.


sy hanatitra ny sorona dorana rehetra amin’i Iaveh, amin’ny andro sabata na amin’ny voalohan’ny volana, na amin’ny fety, araka ny isany voadidy hatao mandrakariva eo anatrehan’i Iaveh.


ny 4.000 ho mpiandry varavarana, ary ny 4.000 ho mpidera an’i Iaveh amin’ny zava-maneno nataoko hankalazana Azy.»


Nitoetra teo amin’ny manodidina ny tranon’Andriamanitra izay nambenany izy, ka tsy maintsy tandremany ny hamohana azy isa-maraina.


Ireo no mpihira, lohan’ny fianakavian’ny Levita nitoetra tamin’ny efitrano, afaka tamin’ny raharaha hafa, satria tsy maintsy eo amin’ny raharahany andro aman’alina.


Naorin’i Ezekiasa ny fizarazaràn’ny mpisorona sy ny Levita, araka ny antokony avy, - ny mpisorona sy ny Levita, samy araka ny raharahany avy, - hanaovana ny sorona dorana, ny sorom-pihavanana, ny fanompoam-pivavahana, ny hira amam-piderana, eo am-bavahadin’ny tobin’i Iaveh.


Nihira toa hira vaovao izy ireo, teo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina efatra ary teo anatrehan’ireo Anti-dahy; ka tsy nisy nahazo nanao izany hira izany, afa-tsy izy 144.000 ireo, izay navotana ho afaka amin’ny tany.