Koa araka ny didy farany avy amin’i Davida no nanisana ny taranak’i Levì, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra.
1Tantara 23:26 - Baiboly Katolika Ary ny Levita efa tsy hitondra ny Fonenana mbamin’ny fanaka rehetra, fanaovana ny fanompoana momba azy intsony.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny levita kosa dia tsy hitondra ny tabernakely na ny fanaka enti-manompo ao aminy intsony. DIEM PROTESTANTA koa ny levita dia tsy hitondra ny Tranolay fihaonana sy ny fanaka rehetra fanaovana fanompoana momba izany intsony.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara koa ny levita dia tsy hitondra ny Tranolay fihaonana sy ny fanaka rehetra fanaovana fanompoana momba izany intsony.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny Levita kosa dia tsy hitondra ny tabernakely na ny fanaka enti-manompo ao aminy intsony. Malagasy Bible Ary ny Levita kosa dia tsy hitondra ny tabernakely na ny fanaka enti-manompo ao aminy intsony. La Bible en Malgache Ary ny levita kosa dia tsy hitondra ny tabernakely* na ny fanaka enti-manompo ao aminy intsony. |
Koa araka ny didy farany avy amin’i Davida no nanisana ny taranak’i Levì, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra.
Ary hoy izy tamin’ireo Levita nampianatra an’i Israely rehetra, sy efa voahasina ho an’i Iaveh: «Apetraho ao amin’ny trano nataon’i Salômôna zanak’i Davida mpanjakan’i Israely, ny fiara masina; fa tsy hisy hilanjanareo azy intsony izao. Ka manompoa an’i Iaveh Andriamanitrareo, sy i Israely vahoakany.
Rehefa vitan’i Aarôna sy ny zanany ny fanaronana ny fitoerana masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ka hifindra lasy, dia ho avy ny taranak’i Kaata hitondra azy; tsy hikasika ny zavatra masina anefa izy ireo, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano lay fihaonana izany, no ho anjara entan’ny taranak’i Kaata.
Noho ny didy nomen’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy no nanaovana izany fanisana izany sy nanomezana azy tsirairay ny fanompoana tsy maintsy hataony sy ny entana tsy maintsy hoentiny avy, ka dia voaisa araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy izy ireo.
Rehefa hifindra lasy, dia i Aarôna sy ny zanany aloha no ho avy hampidina ny lamba fanakonana, ka ny fiaran’ny vavolombelona, dia hosaronany amin’io;
Fa tsy nomeny kosa ny taranak’i Kaata, satria ny fanaka masina no anjara fanompoany, ka tsy maintsy lanjainy an-tsoroka.
Tamin’izany andro izany no nanokanan’i Iaveh ny fokon’i Levỳ hitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh sy hitoetra eo anatrehan’i Iaveh, hanompo Azy ary hitso-drano amin’ny Anarany, mandraka androany.