Ka noroahiny ny olombelona ary nametrahany ny Kerobima sy ny lelafon-tsabatra mihebiheby teo atsinanan’ny sahan’i Edena, mba hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina.
1Tantara 21:16 - Baiboly Katolika Nony natopin’i Davida ny masony, dia hitany ilay Anjelin’i Iaveh teo anelanelan’ny tany sy ny lanitra, nitan-tsabatra voatsoaka natondrony nanandrify an’i Jerosalema. Niankohoka i Davida sy ny loholona, sady nitafy lasàka izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nanopy ny masony i Davida ka nahita ilay Anjelin’NY TOMPO nijoro teo anelanelan’ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, izay natondrony manandrify an’i Jerosalema. Dia niankohoka i Davida sy ny loholon’ny Israely, izay efa samy nitafy lamba fisaonana. DIEM PROTESTANTA Nony natopin’i Davida ny masony, dia ilay anjelin’ny TOMPO no hitany nitsangana teo anelanelan’ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka izay natondrony manandrify an’i Jerosalema. Dia niankohoka i Davida sy ny loholona, izay efa samy nitafy lamba fisaonana rahateo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nony natopin’i Davida ny masony, dia ilay anjelin’ny TOMPO no hitany nitsangana teo anelanelan’ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka izay natondrony manandrify an’i Jerosalema. Dia niankohoka i Davida sy ny loholona, izay efa samy nitafy lamba fisaonana rahateo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Davida nanopy ny masony ka nahita Ilay Anjelin’i Jehovah nitsangana teo anelanelan’ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tànany, izay natondrony manandrify an’i Jerosalema. Dia niankohoka Davida sy ny loholon’ny Isiraely, izay efa samy nitafy lamba fisaonana. Malagasy Bible Ary Davida nanopy ny masony ka nahita Ilay Anjelin'i Jehovah nitsangana teo anelanelan'ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, izay natondrony manandrify an'i Jerosalema. Dia niankohoka Davida sy ny loholon'ny Isiraely, izay efa samy nitafy lamba fisaonana. La Bible en Malgache Nanopy ny masony i Davida ka nahita ilay Anjelin’NY TOMPO nijoro teo anelanelan’ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, izay natondrony manandrify an’i Jerosalema. Dia niankohoka i Davida sy ny loholon’ny Israely, izay efa samy nitafy lamba fisaonana. |
Ka noroahiny ny olombelona ary nametrahany ny Kerobima sy ny lelafon-tsabatra mihebiheby teo atsinanan’ny sahan’i Edena, mba hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina.
Kanjo nony nandre ny tenin’i Elia i Akaba dia norovitiny ny fitafiany, lasàka no natafiny ny tenany, nifady hanina izy, nentiny nandry ny lasàka, ary nitsilasilasy fandeha izy.
Vao nandre ny filazana izany i Ezekiasa mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany, nitafy lasàka ary nankao an-tranon’i Iaveh,
Sady nivavaka i Elisea nanao hoe: «Iaveh ô, sokafy ny masony, mba hahitany.» Ary nosokafan’i Iaveh ny mason’ilay mpanompo, ka nahita izy, ary indro feno soavaly aman-kalesy afo, manodidina an’i Elisea, ny tendrombohitra.
Ny sandrin’ny mpanjakan’i Babilôna, hohatanjahiko; ny sandrin’i Faraôna kosa hianjera; ary ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho, rehefa ataoko eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ny sabatro; ka hoentiny mamely ny tany Ejipta.
Nony namely izy ireo, ka izaho irery no sisa teo, dia niankohoka aho, sady nitaraina hoe: «Indrisy! Iaveh Tompo ô! dia haringanao avokoa va ny sisa amin’i Israely, amin’izao ampidinanao ny hatezeranao amin’i Jerosalema izao?»
Nidaboka niankohoka teo anatrehan’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra tafavory i Môizy sy i Aarôna.
Ary niankohoka tamin’ny tany izy ireo ka nanao hoe: «Andriamanitra ô, ry Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, olona iray no nanota, ka no dia tezitra amin’ny fiangonana rehetra Ianao?»
Hitan’ity ampondra ilay Anjelin’i Iaveh nijanona teo an-dalana sy nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, ka nivily lalana nankany anaty saha izy. Nokapohin’i Balaama ny ampondrany, hampiverenany azy amin’ny lalana indray.
Nosokafan’i Iaveh ny mason’i Balaama, dia hitan’i Balaama ilay Anjelin’i Iaveh izay teo an-dalana teo, sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, ka niondrika sy niankohoka tamin’ny tany izy.
Raha ilay miakatra mankany an-danitra avy eo ambonin’ny ôtely iny ny lelafo dia niakatra tao anatin’ny lelafon’ny ôtely ilay Anjelin’i Iaveh. Raha nahita izany i Manôe mivady dia lavo niankohoka tamin’ny tany.