1Tantara 21:10 - Baiboly Katolika «Mandehana milaza amin’i Davida hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Zavatra telo no ataoko eo anoloanao, ka ny iray no fidio dia hataoko aminao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mandehana ka lazao amin’i Davida hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Zavatra telo loha no apetrako eto anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao. DIEM PROTESTANTA –Ndeha mitenena amin’i Davida hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: Famaizana telo no ataoko eto anoloanao, koa fidio izay iray hampihariko aminao». Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Ndeha mitenena amin’i Davida hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: Famaizana telo no ataoko eto anoloanao, koa fidio izay iray hampihariko aminao». Baiboly Protestanta Malagasy Mandehana, ka lazao amin’i Davida hoe: Izao no lazain’i Jehovah: Zavatra telo loha no apetrako eto anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao. Malagasy Bible Mandehana, ka lazao amin'i Davida hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Zavatra telo loha no apetrako eto anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao. La Bible en Malgache Mandehana ka lazao amin’i Davida hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Zavatra telo loha no apetrako eto anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao. |
Fa hoy i Iaveh tamin’i Môizy sy i Aarôna: «Noho ianareo tsy nino Ahy, mba hanamasina Ahy, eo imason’ny zanak’i Israely, dia tsy hampiditra ity fiangonana ity any amin’ny tany izay omeko azy ianareo.»
Raha tsy sitrakareo kosa ny hanompo an’i Iaveh dia fidionareo anio izay tianareo hotompoina, na ny andriamanitra notompoin’ny razanareo tany an-dafin’ny ony; na ny andriamanitry ny Amôreana izay onenanareo ny taniny. Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo an’i Iaveh.