Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 20:5 - Baiboly Katolika

Dia nisy ady tamin’ny Filistinina koa, izay nahafatesan’i Elkanàna zanak’i Jaira, an’i Lakmì rahalahin’i Gôliata, avy any Geta, ilay nanan-defona hoatry ny voditenon’ny mpanenona ny zarany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nisy ady indray tamin’ny Filistina, ary i Elanana, zanak’i Jaira, dia namono an’i Lamy, rahalahin’i Goliata gatita, izay nanana zaran-defona tahaka ny voditenon’ny mpanenona.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nisy ady tamin’ny Filistinina indray. Ka i Elihanàna, zanakalahin’i Jahîry, no nahafaty an’i Lahemỳ, rahalahin’i Gôliata avy any Gata, dia i Gôliata izay nanana zaran-defona vaventy tahaka ny voditenon’ny mpanenona.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nisy ady tamin’ny Filistinina indray. Ka i Elihanàna, zanakalahin’i Jahîry, no nahafaty an’i Lahemỳ, rahalahin’i Gôliata avy any Gata, dia i Gôliata izay nanana zaran-defona vaventy tahaka ny voditenon’ny mpanenona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary dia nisy ady tamin’ny Filistina indray ary Elanana, zanak’i Jaïra, namono an’i Lamy, rahalahin’i Goliata Gatita, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon’ny mpanenona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary dia nisy ady tamin'ny Filistina indray ary Elanana, zanak'i Jaira, namono an'i Lamy, rahalahin'i Goliata Gatita, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nisy ady indray tamin’ny Filistina, ary i Elanana, zanak’i Jaira, dia namono an’i Lamy, rahalahin’i Goliata gatita, izay nanana zaran-defona tahaka ny voditenon’ny mpanenona.

Jereo ny toko



1Tantara 20:5
7 Rohy Ifampitohizana  

Mbola nisy ady tamin’ny Filistinina koa tao Gôba, ary i Elkanàna, zanak’i Jaare-Oregima avy any Betleema, no nahafaty an’i Gôliata avy ao Geta, ilay nanan-jaran-defona, hoatra ny voditenon’ny mpanenona.


Izy no nahafaty ny Ejiptianina anankiray, izay dimy hakiho no halavany, ary nisy lefona sahala amin’ny voditenon’ny mpanenona tao an-tanan’ny Ejiptianina. Nitondra tehina izy nankany aminy ary ny lefona teny an-tanan’ilay Ejiptianina no nosarihiny, dia novonoiny tamin’ny lefony indrindra izy.


Ary nisy ady tany Geta. Ka tao no nisy lehilahy avo be anankiray, enin-drantsana isan-tanana aman-tongotra, efatra amby roapolo no totaliny, ka taranak’i Rafà koa izy.


Tamin’izay dia nivoaka avy teo amin’ny tobin’ny Filistinina ity mpiady anankiray, Gôliata no anarany, ary avy any Geta: enina hakiho sy irain-jehy ny halavany.


tahaka ny voditenon’ny mpanenona no haben’ny zaran-defony, vy lanjana enin-jato sikla ny lela lefona, ary nandeha teo alohany ny mpitondra ampinga.


Ary hoy i Davida tamin’i Akimeleka: «Tsy misy lefona na sabatra va ato aminao? Fa tsy naharay ny sabatro na ny fiadiana hoentiko akory aho fa maika ny raharaha nandidian’ny mpanjaka ahy».


Ary i Akimeleka nanontany an’i Iaveh ho azy, sy nanome vatsy azy, sady nanome azy ny sabatr’i Gôliata Filistinina».