Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 18:17 - Baiboly Katolika

i Banaiasa zanak’i Jôiadà, no lehiben’ny Keretianina sy ny Feletianina; ary ireo zanak’i Davida no voalohan-daharana eo anilan’ny mpanjaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ary i Benaia, zanak’i Jehoiada, no mpifehy ny Keretita sy ny Peletita; ary ny zanak’i Davida no lehibe tamin’izay akaiky ny mpanjaka.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

i Benaià, zanakalahin’i Jôiadà, no lehiben’ny Keretita sy Peletita mpiambina ny mpanjaka; ary ireo zanakalahin’i Davida kosa dia mpiara-miasa akaiky amin’ny mpanjaka.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

i Benaià, zanakalahin’i Jôiadà, no lehiben’ny Keretita sy Peletita mpiambina ny mpanjaka; ary ireo zanakalahin’i Davida kosa dia mpiara-miasa akaiky amin’ny mpanjaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Benaia, zanak’i Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana; ary ny zanak’i Davida no lehibe tamin’izay nanolotra ny mpanjaka.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Benaia, zanak'i Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana; ary ny zanak'i Davida no lehibe tamin'izay nanolotra ny mpanjaka.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ary i Benaia, zanak’i Jehoiada, no mpifehy ny Keretita sy ny Peletita; ary ny zanak’i Davida no lehibe tamin’izay akaiky ny mpanjaka.

Jereo ny toko



1Tantara 18:17
14 Rohy Ifampitohizana  

Ny mpanompony rehetra nandeha teny anindrany; ny Keretianina sy ny Feletianina, ary ny Geteanina rehetra enin-jato lahy, izay nanaraka azy hatrany Geta, dia nandeha teo alohan’ny mpanjaka.


I Jôaba no komandin’ny tafika tamin’i Israely rehetra; i Banaiasa zanak’i Jôiadà no lehiben’ny Keretianina sy ny Feletianina,


Nanaraka an’i Abisaia dia niainga koa ny olon’ny Jôaba, ny Keretianina sy ny Feletianina ary ny lehilahy mahery rehetra nivoaka teo Jerosalema hanenjika an’i Sebà zanak’i Bokrì.


i Baniasa zanak’i Jôiadà, no lehiben’ny Keretianina sy ny Feletianina; ary ny zanak’i Davida no mpanolo-tsaina manolotra azy indrindra.


Dia nandeha i Sadôka mpisorona sy i Natàna mpaminany, ary i Banaiasa zanak’i Jôiadasa mbamin’ny Keretianina sy ny Feletianina; nasainy nitaingina ny mole vavin’i Davida mpanjaka i Salômôna, dia nentiny nankany Gihôna.


Nirahin’ny mpanjaka hiaraka aminy i Sadôka mpisorona sy i Natàna mpaminany ary i Banaiasa zanak’i Jôiadasa, mbamin’ny Keretianina sy ny Feletianina, ka nampitaingenan’ireo ny mole vavin’ny mpanjaka izy.


i Sadôka zanak’i Akitoba, sy i Abimeleka zanak’i Abiatara, no mpisorona, i Sosa no mpanoratra;


Tatỳ aorian’izany, maty i Naasa, mpanjakan’ny taranak’i Amôna, ary ny zanany lahy no nanjaka nandimby azy.


Fa ny raharahany dia ny manolo-tena hoentin’ny taranak’i Aarôna, amin’ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh, ny amin’ny momba ny kianja aman’efitrano, ny fanadiovana ny zavatra masina, ary ny raharaha momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh;


I Faratiasa zanak’i Mesezebela, isan-taranak’i Zarà, zanak’i Jodà kosa no mpanao raharahan’ny mpanjaka, amin’ny raharaha rehetra momba ny vahoaka.


Loza ho an’ny mponina any amin’ny faritanin’ny ranomasina, dia ny firenenan’ny Kretoà! Efa voatonona ny tenin’i Iaveh mamely anareo ry Kanaàna, tanin’ny Filistinina: Ary haringako ianao ka tsy hisy mponina sisa eo aminao intsony.


Nanafika an’i Negeban’ny Keretianina sy ny faritanin’i Jodà mbamin’i Negeban’i Kaleba izahay, ary nodorany i Sikelega».