Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zefania 2:5 - Baiboly Katolika

5 Loza ho an’ny mponina any amin’ny faritanin’ny ranomasina, dia ny firenenan’ny Kretoà! Efa voatonona ny tenin’i Iaveh mamely anareo ry Kanaàna, tanin’ny Filistinina: Ary haringako ianao ka tsy hisy mponina sisa eo aminao intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Lozan’ny mponina any amoron-tsiraka, dia ny firenen’ny Keretita! Mihatra aminareo ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry Kanana, tanin’ny Filistina, haringako tsy hisy mponina eo aminao!

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

5 Lozanareo avy any Kaftôra, izay mipetraka amoron-dranomasina! Izao no tenin’ny TOMPO mitsara anareo: «Ry Kanàhana tanin’ny Filistinina, haringako tsy hisy mponina intsony eo aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Lozanareo avy any Kaftôra, izay mipetraka amoron-dranomasina! Izao no tenin’ny TOMPO mitsara anareo: «Ry Kanàhana tanin’ny Filistinina, haringako tsy hisy mponina intsony eo aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Lozan’ny mponina any amoron-tsiraka, Dia ny firenen’ny Keretita! Mihatra aminareo ny tenin’i Jehovah, Ry Kanana, tanin’ny Filistina! Haringako tsy hisy mponina eo aminao,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Lozan'ny mponina any amoron-tsiraka, Dia ny firenen'ny Keretita! Mihatra aminareo ny tenin'i Jehovah, Ry Kanana, tanin'ny Filistina! Haringako tsy hisy mponina eo aminao,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Lozan’ny mponina any amoron-tsiraka, dia ny firenen’ny Keretita! Mihatra aminareo ny tenin’NY TOMPO hoe: Ry Kanana, tanin’ny Filistina, haringako tsy hisy mponina eo aminao!

Jereo ny toko dika mitovy




Zefania 2:5
14 Rohy Ifampitohizana  

Aza manaram-po amin’ny fifaliana, ry Filistinina manontolo, noho ny nahatapahan’ny tsora-kazo namely anao; fa hisy menarana hateraky ny tarana-bibilava ary dragona manidina no haterany.


Ka amin’izay ny faraidiny hahita hanina; ary ny mahantra handry feizay. Fa ny taranakao kosa, hataoko maty mosary; ary izay sisa avy aminao, haringana. -


Hataonao ahoana moa no fitsahatra, fa nomen’i Iaveh didy ianao? Mankany Aksalôna sy any amoron-dranomasina no itarihany azy.


noho izany dia izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro Aho haninji-tanana amin’ny Filistinina, handringana ny Kretoà, ary handrava izay sisa monina eny amoron-dranomasina.


Henoy izao teny izao notononin’i Iaveh ny aminareo, ry zanak’i Israely, ny amin’ny fianakaviana rehetra nentiko niakatra avy any amin’ny tany Ejipta, - dia ireto hoe:


Henoinareo izao teny izao, izay tononiko ny amin’ny momba anareo, - hira fitomaniana, - ry taranak’i Israely:


Midradradradrà, ry mponina ao amin’ny Feta, fa ringana avokoa ny vahoaka kananeanina, levona avokoa izay rehetra mivesatra vola.


Firenena maro no naringako, ka rava ny tilikambony, nataoko lao ny arabeny, ka tsy hisy mpandia intsony; voarava ny tanànany ka tsy misy olona intsony, tsy misy mponina na iray aza.


Fa ny teniko sy ny didiko kosa, izay nasaiko nentin’ny mpaminany mpanompoko, moa tsy nahatratra ny razanareo va, ka dia nibebaka izy ireo ary nanao hoe: Izay efa notapahin’i Iavehn’ny tafika hatao amintsika araka ny lalantsika sy araka ny asantsika dia nataony tamintsika tokoa.»


Ary nitady hisambotra Azy izy ireo, satria fantany fa izy ihany no lazainy amin’izany fanoharana izany, saingy natahotra ny vahoaka izy; koa nandao Azy, dia lasa.


Fa izao no tany sisa: ny faritanin’ny Filistinina rehetra sy ny an’ny Gesorianina rehetra,


hatramin’i Sikôra, izay eo atsinanan’i Ejipta ka hatrany amin’ny faritanin’i Akarôna eo avaratra, izay tokony hatao ho tany Kananeanina; ny andrian’ny Filistinina dimy, ny an’i Gazà, ny an’i Azota, ny an’i Askalôna, ny an’i Geta, ny an’i Akarôna;


Ny andriana dimy tamin’ny Filistinina, ny Kananeanina sy ny Sidonianina ary ny Heveanina rehetra izay nonina tamin’ny tendrombohitra Libàna, hatramin’ny tendrombohitra Baala-Hermôna, ka hatramin’ny vava lalan’i Hamata.


Nanafika an’i Negeban’ny Keretianina sy ny faritanin’i Jodà mbamin’i Negeban’i Kaleba izahay, ary nodorany i Sikelega».


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra