Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 17:23 - Baiboly Katolika

Ary ankehitriny, ry Iaveh, aoka haharitra mandrakizay ilay teny nolazainao ny amin’ny mpanomponao sy ny amin’ny fianakaviany, ary tanteraho araka ny teninao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ankehitriny, TOMPO ô, ilay teny nolazainao ny amin’ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay ary ataovy araka izay nolazainao.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ankehitriny, ry TOMPO, ny fampanantenana nolazainao momba ahy sy ny taranako dia aoka ho tanteraka hatrany hatrany, ka ataovy araka izay efa nampanantenainao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ankehitriny, ry TOMPO, ny fampanantenana nolazainao momba ahy sy ny taranako dia aoka ho tanteraka hatrany hatrany, ka ataovy araka izay efa nampanantenainao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ankehitriny, Jehovah ô, ilay teny nolazainao ny amin’ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay, ary ataovy araka izay nolazainao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ankehitriny, Jehovah ô, ilay teny nolazainao ny amin'ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay, ary ataovy araka izay nolazainao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ankehitriny, TOMPO ô, ilay teny nolazainao ny amin’ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay ary ataovy araka izay nolazainao.

Jereo ny toko



1Tantara 17:23
10 Rohy Ifampitohizana  

Ianao anefa, efa nilaza hoe: ‹Hanisy soa anao aho, ary hahamaro ny taranakao tahaka ny fasika any an-dranomasina izay betsaka loatra ka tsy tambo isaina.› »


Koa ankehitriny, ry Andriamanitr’i Israely, dia aoka ho tanteraka anie ny teny nataonao tamin’i Davida raiko mpanomponao.


Fa nataonao vahoakanao mandrakizay i Israely vahoakanao, ka Ianao Iaveh no tonga Andriamaniny.


Aoka haharitra izany, ary aoka hankalazaina mandrakizay ny Anaranao; ka aoka holazain’ny olona hoe: I Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely, dia Andriamanitra ho an’i Israely! Ary aoka ho tsara orina eo anatrehanao ny fianakavian’i Davida mpanomponao.


Nofidin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely aho tamin’ny ankohonan’ny raiko rehetra, ho mpanjaka amin’i Israely mandrakizay. Satria i Jodà no nofidiny ho mpanjaka, ary tamin’ny taranak’i Jodà, ny ankohonan’ny raiko no nofidiny ho mpanjaka, izaho no nankasitrahany hampanjakainy amin’i Israely.


Koa ankehitriny, Iaveh Andriamanitra ô, aoka ho tanteraka ny teninao tamin’i Davida raiko, fa efa nataonao mpanjaka amin’ny vahoaka maro toy ny vovo-tany aho.


Tsarovy ny teny nomenao ny mpanomponao, izay ampiorenanao ny fanantenako.


mba hanatanterahako ny fianianana, nataoko tamin’ny razanareo, dia ny hanomezako azy tany tondra-dronono sy tantely, araka izao hita izao.» Ary izao no navaliko: «Eny! Ry Iaveh ô!»


Dia hoy i Maria: «Inty aho ankizivavin’ny Tompo, aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao.» Dia niala teo aminy ny Anjely.