Ary noho ny teninao sy araka ny sitraponao no nanaovanao izany raharaha lehibe rehetra izany, mba hampahafantaranao izany ny mpanomponao.
1Tantara 17:19 - Baiboly Katolika Iaveh ô, noho ny amin’ny mpanomponao sy araka ny Fonao, no nanaovanao izany zava-dehibe rehetra izany, mba hampahafantaranao ireo zava-dehibe ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 TOMPO ô, noho ny amin’ny mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe io mba hampiharihariana ireo zavatra lehibe rehetra ireo. DIEM PROTESTANTA TOMPO ô, noho ny amiko mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao izao asa lehibe manontolo izao mba hampahalalanao ny zava-dehibe rehetra vitanao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara TOMPO ô, noho ny amiko mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao izao asa lehibe manontolo izao mba hampahalalanao ny zava-dehibe rehetra vitanao. Baiboly Protestanta Malagasy Jehovah ô, noho ny amin’ny mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe io, mba hampiharihariana ireo zavatra lehibe rehetra ireo. Malagasy Bible Jehovah ô, noho ny amin'ny mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe io, mba hampiharihariana ireo zavatra lehibe rehetra ireo. La Bible en Malgache TOMPO ô, noho ny amin’ny mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe io mba hampiharihariana ireo zavatra lehibe rehetra ireo. |
Ary noho ny teninao sy araka ny sitraponao no nanaovanao izany raharaha lehibe rehetra izany, mba hampahafantaranao izany ny mpanomponao.
Koa inona indray no ho azon’i Davida lazaina aminao, ny amin’ny voninahitra nomena ny mpanomponao? Fantatrao ny mpanomponao.
Tsy misy mitovy aminao, ry Iaveh, ary tsy misy Andriamanitra hafa hafa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.
Famirapiratana amam-pahamboniana avokoa ny asany, ary maharitra mandrakizay ny fahamarinany.
Naharihariny tamin’ny vahoakany ny herin’ny asany, tamin’ny nanolorany azy ny lovan’ny firenena.
- Endrey! ry Iaveh ô, satria mpanomponao aho; mpanomponao, zanaky ny ankizy vavinao, ka dia novahanao ny fatorako.
Hiaro ity tanàna ity Aho mba hamonjy azy, noho ny amin’ny Tenako, sy noho ny amin’i Davida mpanompoko».
Indro ny mpanompoko izay tantanako; ilay voafidiko ka sitraky ny foko; napetrako ao aminy ny fanahiko; hamoaka fahamarinana ho an’ny firenena izy.