Izany indray aza mbola zavatra kely eo imasonao, ry Andriamanitra. Niteny koa Ianao ny amin’ny taranaky ny mpanomponao, hatrany amin’ny andro aoriana any, ary nataonao ho olona ambony laharana aho, ry i Iaveh Andriamanitra ô!
1Tantara 17:18 - Baiboly Katolika Koa inona indray no ho azon’i Davida lazaina aminao, ny amin’ny voninahitra nomena ny mpanomponao? Fantatrao ny mpanomponao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Inona intsony no holazain’i Davida aminao ny amin’ny voninahitra omena ny mpanomponao? Fa Ianao no mahafantatra ny mpanomponao. DIEM PROTESTANTA inona no mbola azoko lazaina aminao momba ny voninahitra nomenao ahy satria Ianao no mahalala ahy mpanomponao? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara inona no mbola azoko lazaina aminao momba ny voninahitra nomenao ahy satria Ianao no mahalala ahy mpanomponao? Baiboly Protestanta Malagasy Inona intsony no holazain i Davida aminao ny amin’ny voninahitra omena ny mpanomponao? fa Hianao no mahalala ny mpanomponao. Malagasy Bible Inona intsony no holazain'i Davida aminao ny amin'ny voninahitra omena ny mpanomponao? fa Hianao no mahalala ny mpanomponao. La Bible en Malgache Inona intsony no holazain’i Davida aminao ny amin’ny voninahitra omena ny mpanomponao? Fa Ianao no mahafantatra ny mpanomponao. |
Izany indray aza mbola zavatra kely eo imasonao, ry Andriamanitra. Niteny koa Ianao ny amin’ny taranaky ny mpanomponao, hatrany amin’ny andro aoriana any, ary nataonao ho olona ambony laharana aho, ry i Iaveh Andriamanitra ô!
Iaveh ô, noho ny amin’ny mpanomponao sy araka ny Fonao, no nanaovanao izany zava-dehibe rehetra izany, mba hampahafantaranao ireo zava-dehibe ireo.
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida. Iaveh ô, mizaha toetra sy mahalala ahy Ianao:
Ary hoy indray Izy taminy fanintelony: «Ry Simôna zanak’i Joany, moa tianao va Aho?» Dia nalahelo i Piera fa nanontaniany fanintelony hoe: Moa tia Ahy va ianao? ka hoy izy taminy: «Ianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko, ka fantatrao fa tiako Ianao.» Dia hoy Izy taminy: Fahano àry ny reniondriko.
Hasiako amin’ny fahafatesana ny zanany, dia ho fantatry ny Eglizy rehetra fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo, ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra.
Fa hoy i Iaveh tamin’i Samoela: «Aza ny tarehiny no jerenao, na ny haavon’ny tsanganany, fa efa natanilako io. Tsy mba izay hitan’ny olombelona no izy; ny olombelona mijery ny tarehy fa i Iaveh kosa mijery ny fo».
Noho izany, izao no tenin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Fa efa voalazako fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; nefa ankehitriny, aza ho toy izany intsony, hoy i Iaveh. Fa izay manaja Ahy no hohajaiko, ary izay maniratsira Ahy no hotsiratsiraiko koa.