Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 17:17 - Baiboly Katolika

Izany indray aza mbola zavatra kely eo imasonao, ry Andriamanitra. Niteny koa Ianao ny amin’ny taranaky ny mpanomponao, hatrany amin’ny andro aoriana any, ary nataonao ho olona ambony laharana aho, ry i Iaveh Andriamanitra ô!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Mbola nataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Andriamanitra ô; fa indro, efa voalazanao koa ny amin’ny taranaky ny mpanomponao hatramin’izay mbola any aoriana lavitra aza ary mijery ahy toy ny olona ambony Ianao, RY TOMPO Andriamanitra ô!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Kanefa mbola kely izany eo imasonao, Andriamanitra ô, ka efa nanaovanao fampanantenana koa hatramin’ny taranako mbola any aoriana lavitra any; ary dia noheverinao ho olona ambony saranga aho. Ry TOMPO Andriamanitro ô,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Kanefa mbola kely izany eo imasonao, Andriamanitra ô, ka efa nanaovanao fampanantenana koa hatramin’ny taranako mbola any aoriana lavitra any; ary dia noheverinao ho olona ambony saranga aho. Ry TOMPO Andriamanitro ô,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary mbola nataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Andriamanitra ô; fa, indro, efa voalazanao koa ny amin’ny taranaky ny mpanomponao hatramin’ny mbola any aoriana lavitra aza, ary nitsinjo ahy araka ny fanaon’ny olona Hianao, Jehovah Andriamanitra ô, ka nanandratra ahy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary mbola nataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Andriamanitra ô; fa, indro, efa voalazanao koa ny amin'ny taranaky ny mpanomponao hatramin'ny mbola any aoriana lavitra aza, ary nitsinjo ahy araka ny fanaon'ny olona Hianao, Jehovah Andriamanitra ô, ka nanandratra ahy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Mbola nataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Andriamanitra ô; fa indro, efa voalazanao koa ny amin’ny taranaky ny mpanomponao hatramin’izay mbola any aoriana lavitra aza ary mijery ahy toy ny olona ambony Ianao, RY TOMPO Andriamanitra ô!

Jereo ny toko



1Tantara 17:17
13 Rohy Ifampitohizana  

ny tranon’ny tomponao nomeko anao; ny vadin’ny tomponao nataoko teo am-pofoanao; ny taranak’i Israely sy i Jodà natolotro anao, ary raha kely loatra izany mbola ho nampiako izao sy izao koa.


Izany indray aza mbola zavatra kely eo imasonao, ry Iaveh Tompo, fa niteny Ianao ny amin’ny taranaky ny mpanomponao koa, hatrany amin’ny andro aoriana any. Arakaraka ny lalàn’ny olombelona izany ataonao amiko izany, Iaveh Tompo ô!


Omeko anao mbamin’izay tsy nangatahinao koa aza, dia harena amam-boninahitra, hany ka tsy hisy toa anao na iza na iza amin’ny mpanjaka mandritra ny andronao rehetra.


Mbola zavatra kely eo imason’i Iaveh anefa izany: hatolony eo an-tananareo i Moaba,


Ka tonga i Davida mpanjaka ka nitoetra teo anatrehan’i Iaveh, ary nanao hoe: Zinona moa aho, ry Iaveh Andriamanitra ô! Ary zinona moa ny fianakaviako no dia nentinao ho tonga amin’izao aho?


Koa inona indray no ho azon’i Davida lazaina aminao, ny amin’ny voninahitra nomena ny mpanomponao? Fantatrao ny mpanomponao.


Hoy Izy: «Mbola zavatra kely foana ny maha-Mpanompoko anao, hanangana ny firenen’i Jakôba indray, sy hampody ireo sisa voatahiry amin’i Israely; fa hatsangako ho fahazavan’ny firenena ianao, mba hitaran’ny famonjeko hatramin’ny faran’ny tany.»


Ary ho an’Ilay mahay manao mihoatra lavitra noho izay angatahintsika sy saintsainintsika, araka ny heriny miasa ato amintsika,