fiandrianana amam-pamirapiratana no eo anatrehan’ny Tavany, ary hery aman-kafaliana no eo amin’ny fonenany.
1Tantara 16:28 - Baiboly Katolika Omeo an’i Iaveh, ry fianakaviam-pirenena, omeo an’i Iaveh ny voninahitra sy ny fahefana; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ry firenena, manomeza an’NY TOMPO, eny, omeo voninahitra sy hery NY TOMPO! DIEM PROTESTANTA Ianareo fianakaviamben’ny firenen-drehetra, tolory haja ny TOMPO fa be voninahitra sy hery. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ianareo fianakaviamben’ny firenen-drehetra, tolory haja ny TOMPO fa be voninahitra sy hery. Baiboly Protestanta Malagasy Ry firenena, manomeza an’i Jehovah, Eny, manomeza voninahitra sy hery ho an’i Jehovah. Malagasy Bible Ry firenena, manomeza an'i Jehovah, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an'i Jehovah. La Bible en Malgache Ry firenena, manomeza an’NY TOMPO, eny, omeo voninahitra sy hery NY TOMPO! |
fiandrianana amam-pamirapiratana no eo anatrehan’ny Tavany, ary hery aman-kafaliana no eo amin’ny fonenany.
omeo an’i Iaveh ny voninahitra ho an’ny Anarany. Mitondrà fanatitra ka mankanesa eo anatrehany; mitsaoha an’i Iaveh amin’ny fanamiana masina.
Mihirà ho an’ilay lanjaina ao ambonin’ny lanitra, ny lanitra fahagola. Indro Izy, mampandre ny feony, feo mahery!
Manomeza an’i Iaveh, ry fokom-pirenena rehetra, manomeza voninahitra amam-pahefana an’i Iaveh.
Manaova hobin-kafaliana mankamin’i Iaveh, ianareo monina amin’ny tany rehetra. Ataovy mipoaka amin’ny feon-java-maneno ny firavoravoanareo.
Izao no hiseho amin’izany andro izany: Ny solofon’i Jese, voatsangana ho fanevan’ny vahoaka samihafa, dia hotadiavin’ny firenena, ary ho be voninahitra ny fonenany.
saingy ny fahasoavan’Andriamanitra no naha-toy izao ahy. Tsy foana tao amiko anefa ny fahasoavana, fa niasa bebe kokoa noho izy rehetra aho; na tsy izaho, fa ny fahasoavan’Andriamanitra niaraka tamiko.
nampamirapiratra ny voninahitry ny fahasoavany izany, dia ny fahasoavany nanasoavany antsika ao amin’i Ilay Malalany.
Dia hoy ny navaliny: «Vay volamena dimy, sy totozy volamena dimy, araka ny isan’ny andrian’ny Filistinina, fa aretina iray ihany no nahazo anareo sy ny andrianareo. Koa manaova sarin’ny vainareo sy sarin’ny totozinareo, izay manimba ny tany; izany no anomezo voninahitra ny Andriamanitr’i Israely; fa angamba Izy hitsahatra tsy hanampatra ny tanany aminareo sy ny andriamanitrareo ary ny taninareo.