Koa ankehitriny, Iaveh Andriamanitra ô, vonjeo amin’ny tanan’i Senakeriba izahay, mba hahafantaran’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany fa Ianao irery, ry Iaveh ô, no Andriamanitra.»
1Tantara 16:24 - Baiboly Katolika Ambarao amin’ny firenena ny voninahiny ary amin’ny vahoaka rehetra ny fahagagany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ambarao any amin’ny Jentilisa ny voninahiny, ary any amin’ny firenena rehetra ny fahagagana ataony! DIEM PROTESTANTA Ambarao amin’ireo firenena ny voninahiny, lazao amin’ny vahoaka rehetra ny zava-mahagaga nataony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ambarao amin’ireo firenena ny voninahiny, lazao amin’ny vahoaka rehetra ny zava-mahagaga nataony. Baiboly Protestanta Malagasy Ambarao any amin’ny jentilisa ny voninahiny, Ary any amin’ny firenena rehetra ny fahagagana ataony. Malagasy Bible Ambarao any amin'ny jentilisa ny voninahiny, ary any amin'ny firenena rehetra ny fahagagana ataony. La Bible en Malgache Ambarao any amin’ny Jentilisa* ny voninahiny, ary any amin’ny firenena rehetra ny fahagagana ataony! |
Koa ankehitriny, Iaveh Andriamanitra ô, vonjeo amin’ny tanan’i Senakeriba izahay, mba hahafantaran’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany fa Ianao irery, ry Iaveh ô, no Andriamanitra.»
Fa lehibe i Iaveh ka mendrika hoderaina indrindra, ary mahatahotra mihoatra ireo andriamanitra rehetra Izy;
Manaova hira fanajana Azy, mihirà Salamo fanajana Azy. Torio ny fahagagana rehetra nataony.
Hihinana ny tra-pahoriana ka ho voky; hidera an’i Iaveh izay mitady Azy. Ho velona indray mandrakizay anie ny fonareo!
ary hanao fahagagana eo amin’izy ireo Aho. Ary ny afa-nandositra taminy dia hanirahako ho any amin’ny firenena, any Tarsisa, Fola, Loda mpandefa zana-tsipìka, Tobala sy Javàna, ary any amin’ireo nosy lavitra, tsy mbola nandre ny lazako akory, na nahita ny voninahitro; dia hitory ny voninahitro any amin’ny firenena ireo.