1Tantara 15:9 - Baiboly Katolika tamin’ny taranak’i Hebrôna: i Eliala lehibe sy ny rahalahiny, 80; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 tamin’ny taranak’i Hebrona dia i Eliela lehibeny sy ny rahalahiny valopolo; DIEM PROTESTANTA tamin’ny taranak’i Hebrôna dia i Eliela lehibeny mbamin’ny namany valopolo lahy; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara tamin’ny taranak’i Hebrôna dia i Eliela lehibeny mbamin’ny namany valopolo lahy; Baiboly Protestanta Malagasy tamin’ny taranak’i Hebrona dia Eliala lehibeny sy ny rahalahiny valo-polo; Malagasy Bible tamin'ny taranak'i Hebrona dia Eliala lehibeny sy ny rahalahiny valo-polo, La Bible en Malgache tamin’ny taranak’i Hebrona dia i Eliela lehibeny sy ny rahalahiny valopolo; |
Zanaka lahin’i Hebrôna: i Jeriao filohany, i Amariasa faharoa, i Jahaziela fahatelo ary i Jekmaama fahefatra.
Zanak’i Kaata: i Amrama, i Isaara, i Hebrôna ary i Oziela. Telo amby telopolo amby zato taona no andro niainan’i Kaata.
Izao no fokon’i Levỳ: ny fokon’ny Lobnita, ny fokon’ny Hebrônita, ny fokon’ny Moholita, ny fokon’ny Mosita, ary ny fokon’ny Kôreita.