Nitsinjaka araka izay tratry ny ainy i Davida teo anatrehan’i Iaveh, ary nisikina efôda rongony madinika i Davida.
1Tantara 15:27 - Baiboly Katolika Nitafy kapaoty bisosa i Davida; torak’izany koa ny Levita rehetra nitondra ny Fiara, ny mpihira ary i Koneniasa izay nitarika ny fitondrana ny Fiara, eo amin’ny mpihira; ary i Davida nitafy ny efôda rongony madinika. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nanao akanjo vita amin’ny rongony fotsy madinika i Davida; niakanjo toy izany koa ny levita rehetra izay nitondra ny vata misy ny Fanekena ary ny mpihira sy i Kenania, tonian’ny fitondrana entana, mbamin’ny mpihira; nisalotra efoda rongony fotsy koa i Davida. DIEM PROTESTANTA Akanjo rongony fotsy madinika no nanaovan’i Davida; niakanjo toy izany koa ny levita rehetra izay nitondra ny Vatamasina, sy ny mpiventy hira mbamin’i Kenanià lehiben’ny fitondrana ny Vatamasina. Ary ankoatra izany i Davida dia nisalotra ny lambahoany rongony fanaon’ny mpisorona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Akanjo rongony fotsy madinika no nanaovan’i Davida; niakanjo toy izany koa ny levita rehetra izay nitondra ny Vatamasina, sy ny mpiventy hira mbamin’i Kenanià lehiben’ny fitondrana ny Vatamasina. Ary ankoatra izany i Davida dia nisalotra ny lambahoany rongony fanaon’ny mpisorona. Baiboly Protestanta Malagasy Ary niakanjo akanjo rongony fotsy madinika Davida, ary niakanjo toy izany koa ny Levita rehetra izay nitondra ny fiara ary ny mpihira sy Kenania, tonian’ny fitondrana, mbamin’ny mpihira; ary Davida nisalotra efoda rongony fotsy koa. Malagasy Bible Ary niakanjo akanjo rongony fotsy madinika Davida, ary niakanjo toy izany koa ny Levita rehetra izay nitondra ny fiara ary ny mpihira sy Kenania, tonian'ny fitondrana, mbamin'ny mpihira; ary Davida nisalotra efoda rongony fotsy koa. La Bible en Malgache Ary nanao akanjo vita amin’ny rongony fotsy madinika i Davida; niakanjo toy izany koa ny levita rehetra izay nitondra ny vata misy ny Fanekena* ary ny mpihira sy i Kenania, tonian’ny fitondrana entana, mbamin’ny mpihira; nisalotra efoda* rongony fotsy koa i Davida. |
Nitsinjaka araka izay tratry ny ainy i Davida teo anatrehan’i Iaveh, ary nisikina efôda rongony madinika i Davida.
I Israely rehetra no indray nampakatra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh tamin’ny hobin-kafaliana, tamin’ny feon’anjomara amana bingona mbamin’ny kipantsona.
Nanao ny fanompoana teo anatrehan’i Iaveh i Samoela, ary efôda rongony no natafiny ny zaza.